- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy roa mitam-basy maty voatifitra

Toliara : Jiolahy roa mitam-basy maty voatifitra

Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, tany Toliara, afak’omaly, raha azo sambo-belona kosa ny namany dimy, ary mbola karohina fatratra hatramin’izao ny lehiben’ ireto jiolahy mivondrona ao amin’ny “groupe de 8” izay tafaporitsaka. Raha ny fanazavana azo, dia roa volana mahery ireto jiolahy mitam-basy ireto no nampihorohoro sy niliba tamin’ny asa ratsiny, tao an-tanànan’ny masoandro sy tamin’ireo faritra manodidina, hoy ny polisy.
Ravan’ny polisy ny “bandes de 8”. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana nahazo laka tato ho ato ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, dia misy ny paik’ady vaovao entina hamongorana ny asan-jiolahy sy ny fahalovana rehetra, ary nanome toky ny vahoaka ny mpitandro filaminana, fa hohamafisina ny fiarovana ny olona sy ny fananany mba hanaovan’ny mponina fety am-pitoniana, ary ho hentitra ihany koa ny fisavana an’ireo “cyclo-pousse”, satria matetika, hoy ny “Commissaire central”, dia misy amin’ireo mpitari-posy no miray tendro amin’ny jiolahy na mandray anjara mivantana amin’ny asa ratsy mihitsy e.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici