- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina: fanafihana mpivaro-kazo : Lasan’ireo jiolahy roa mitam-basy ny vola dimy tapitrisa...

Toamasina: fanafihana mpivaro-kazo : Lasan’ireo jiolahy roa mitam-basy ny vola dimy tapitrisa ariary

Nipoitra tampoka indray ireo andian-jiolahy mpitaingina moto scooter sy mpitondra basy PA mpanao fanafihana an’ireo olona hahazoan’izy ireo vaovao fa misy vola be tahiry ao aminy amin’izao ankatoky ny fety krismasy sy ny taom-baovao izao, raha nangingina izy ireo tao ho ao izay.

Mpivaro-kazo iray nahalafo hazo mitentina 5 tapitrisa ariary tamin’ity olona hanamboatra trano nividy hazo no lasibatra tamin’izany. Haraka ireo jiolahy tsara ny fandehan’ny zava-nisy rehetra tamin’izao raharaha izao ka tokony tamin’ny 7ora hariva ny alatsinainy teo raha nahazo toky ny mbola nahatao an-tranon’ilay mpivaro-kazo ny vola ireto andian-jiolahy, dia avy hatrany dia nanafika azy izay tena haingana ny nanaovan’izy ireo ny fanafihana. Lasan’izy ireo ilay vola be sy ny vola hafa matin’ilay mpivaro-kazo tamin’io fotoana io. Nanao ny ezaka rehetra nanenjehana ireto jiolahy roa mpitaingina moto scooter ireto ny polisy tao Mangarano nampiany ny namany, saingy maizina ny lalam-pasika nitsoahan’izy ireo ka sarotra ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Na izany nosokafan’izy ireo ny fanadiadiana, ireto andian-jiolahy koa nandritra ny fanafihana nataony tsy nisaro-tava, ka araka ny vaovao dia mbola tarika ireo jiolahy efatra efa tratra teo aloha teo anivon’ny polisy ny Tanambao II izy ireto, ary tafiditra amin’ireo andian-jiolahy karohana amin’izao.

Tsy nisy aloha ny naratra nandritra izao fanafihana ny volan’ity mpivarotra hazo tao Mangarano ity izao, na niezaka niaro ny fananany ilay tompom-bola. Misy ihany koa izao ny fanaraha-maso ireo olona akaiky ity mpiravo-kazo ity, ka isany amin’izany ireo “dockers” mpibata hazo nokaramainy tamin’io fotoana io.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici