- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpianatra avy nanao « soutenance » voaendaka sy voavono

Anosy : Mpianatra avy nanao « soutenance » voaendaka sy voavono

Tovolahy iray, mpianatra avy nanao « soutenance », no niharan’ny fanendahana sy famonoana teny amin’iny faritra Anosy iny ny alin’ny talata lasa teo. Ambonin’ireo zavatra lasan’ireo mpanendaka, ilay boky vao natao, sy antontan-taratasim-pianarana isan-karazany, ny porte-feuille, dia mbola niharan’ny vono ihany koa ity mpianatra ity. Naratra mafy ny tovolahy ary voatery nampidirina hôpitaly ny alin’io ihany. Araka ny filazany dia, raha iny izy saika handeha haka taxibe, handeha hody ho any Anosibe iny no nisy nisintona ny sakaosy nentiny. Niezaka ny nanenjika ity mpanao sinto-mahery ny tenany ary tratrany soa aman-tsara teny amoron’Anosy. Tamin’io fotoana io anefa dia efa bandy manodidina ny fitolahy, nitondra fitaovam-piadiana teo no nihodidina azy. Avy hatrany dia vono sy daroka no nahazo azy, izay sendra ny be no ho ny vitsy rahateo. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa tsy nahetsika intsony ity tovolahy ity, nitondra ilay sakaosy. « Tsy nisy vola fa resaka fianarana avokoa no tao anatin’izany », hoy izy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity mpianatra ity amin’izao. Mirongatra tanteraka mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana manakaiky fety izao. Ary na vola kely aza mety tsy hisalasalan’ireo tsy valaharana haningorana ain’olona. Tokony ho mailo sy hitandrina hatrany araka izany ny rehetra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici