- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro - fanapoizinana vokatry ny antsantsa : Tafiakatra 27 ireo olona marary...

Mahanoro – fanapoizinana vokatry ny antsantsa : Tafiakatra 27 ireo olona marary nampidirina hopitaly

Taorian’ny fahazoan’ireto mpanarato ity antsantsa goavam-be ity, ny 19 desambra teo, izay namidiny ary samy nihinana izany ny olona nividy azy, dia tsy nitsahatra nitombo ireo marary niditra hopitaly vokatry ny fanapoizinana nahazo azy ireo, indrindra ireo nihinana ny ampahany misy ny lohan’ilay antsantsa. Raha 19 no isan’ireo nampidirina hopitaly tao Mahanoro tany amboalohany dia tafakatra 27 izay amin’izany omaly nakana ny vaovao avy any an-toerana. Hatreto aloha dia tsy nisy ny maty tamin’ireo narary ireo, tsy nahery vaika loatra ihany ny poizina netin’ity antsantsa ity ka ny fandoavana sy falemilemena no nahazo ny nihinana izany fa tsy nisy ireo tsy nahatsiaro tena. Vokatr’ity fanapoizinana ara-tsakafo ity, dia nanao fanentanana niaraka ny mponina sy ny mpanarato any an-toerana ny lehiben’ny distrika sy ny mpiasan’ny fahasalamana, mikasika ny loza mety hateraka ny fihinanana ireo trondro vaventy amin’izao andro mafana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici