Efa ho tapa-bolana izao no nanomboka nitokony ireo mpiasa mpanomo omby sy kisoa ary ondry eto Toamasina. Ny antony raha ny fanazavan’ny kaominina dia hisy ny fanamboarana ity toerana ity, ka hafindra amin’ny toeran-kafa aloha ny famonoana biby eto Toamasina mandram-pahavita izany abatoara izany. Nampiteraka savorovoro teo amin’ireo mpiasa sy ny mpiambina ity toerana ity izany, satria mety tsy ho tafaverina eo intsony izy ireo raha vita ny fanamboarana ny toerana. Vokany tsy nisy hena teto Toamasina nandritra ny herinandro izay ka manahy mafy ny mpanjifa ao anatin’izany. Ankilan’izany koa dia nisy vaovao hafa navoakan’ireo mpamono omby ao amin’ity abatoara eto Toamasina ity, fa nisy izany tera-tany sinoa izany tao amin’izy izao nilaza fa tokony hiala izy ireo fa ilainy ny toerana efa novidiany. Teo no niteraka ny fitokon’ireo mpamono omby sy ny mpiasa ao amin’ity abatoara Toamasina ity, ary saika hiakatra nitety Tanana nandeha teo anoloan’ny lapan’ny Tanana ity ireo vokatra izany. Tsy hay ny tena marina momba ity tantara ny abatoara Toamasina ity, fa ilay hoe efa namidy tamina tera-tany sinoa ao Toamasina aloha izao no malaza be, ary tsy mahavita manohitra izany ny kaominina mpisahana ity abatoara ity. Milaza ny tsy hanaiky ireo mpiasa sy ny mpamono biby ao, fa hietsika hanohitra izany fahazoan’ny tera-tany sinoa ny abatoara izao.
Malala Didier