- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAbohimanambola Betafo :  Mpanamboatra basy vita gasy telo lahy saron’ny zandary

Abohimanambola Betafo :  Mpanamboatra basy vita gasy telo lahy saron’ny zandary

Olona telo no voasambotra tao Tsarazaka fokontany Andranomasina kaominina Ambohinambola distrikan’i Betafo ny faran’ny herinandro lasa teo. Resaka fanamboarana basy vita gasy no nisamborana ireto olona ireto.

Tamin’ny alàlan’ny angom-bavaovao no nahafantaran’ny zandary ny fisian’ireo andian’olona manamboatra basy vita gasy ireto. Taoarian’ny fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana no niroso tamin’ny fisavana ny trano fonenan’izy ireto  ny zandary. Inona tokoa fa mbola tratra tao amin’izy ireo ny basy gasy calibre 12 iray sy basy poleta vita gasy iray miaraka amin’ny bala 7.5mm miisa roa.

 Ankoatra izay dia mbola tratra tao amin’izy ireo ihany koa ny basy  « Canon » andalam-pahavitana azy miisa 5 sy ireo fitaovana fanamboarana azy.

Ananan’ireto olon-dratsy ireto ny traikefa fanamboarana basy ary tsy vitan’izay fa mbola nahatratrarana akanjo miendrika fanamiana mpitandro filaminana miisa roa tao amin’izy ireo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici