- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAccès banque : Karohina i Voay sy Zorgie

Accès banque : Karohina i Voay sy Zorgie

Nivoaka omaly ny “avis de recherche” momba an’i Voay, izay nananan’ny pôlisy sary .
Nivoaka omaly ny “avis de recherche” momba an’i Voay, izay nananan’ny pôlisy sary .

Tsy niandry ela dia efa fantatra ny momba ny roa tamin’ireo nanafika. Voay sy Zorgie no fiantso azy ireo raha araka ny fanazavan’ny BC.

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha etsy amin’ny Brigade Criminelle (BC) etsy Anosy. Samy mampiasa ny loharanom-baovao sy ny olom-pantatra avokoa ny pôlisy mpanao fanadihadiana taorian’ny fanafihana ny Accès Banque tetsy Andavamamba afak’omaly. “Efa fantatra ny roa amin’ireo olon-dratsy. Tatasoatia Angelson dit Voay, 35 taona, ny voalohany ary Zorgie, 31 taona kosa ny faharoa”, raha araka ny fanamarihan’ny lehiben’io sampan-draharahan’ny pôlisy io. Notohizany fa tsy avy amin’ny alàlan’ny sary azo tamin’ny “camera de surveillance” aloha hatreto no nahafantarana azy ireo fa kosa avy amin’ny fomba fanafihana na “mode opératoire” sy ny famariparitan’ny vavolombelona. Mitontona tsara amin’ny endrika sy vatan’i Voay sy Zorgie ny fanahianay hatreto, hoy ihany ny BC. Itsy voalohany, Voay, dia efa nifampitadiavana eraky ny Nosy ary mbola karohina hatrany aza. Efa tonga hatrany Mahajanga sy Toamasina izahay nikaroka io lehilahy io saingy mbola tsy tratra aloha hatreto, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny BC hatrany. Tafiditra hatrany izy tao anatin’ny resaka kidnapping, fanafihana mitam-piadiana isan-karazany, tsy teto an-drenivohitra ihany fa tany amin’ny faritra ihany koa. Nosokajiana ho isan’ny olona tena atahorana izy ireo tao anatin’ny fampilazàna na “avis de recherché” navoakan’ny pôlisy. Ny antony dia noho ny fitazomany basy. Sady misy poleta P.A no misy Kalachnikov eny amin’ireo jiolahy ireo, raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Manentana ny olona mba tsy hisalasala hanome vaovao raha sendra mahita ny misy azy ireo ny mpanao fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser