- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAccès banque : Mpiambina minisitry ny FAT i Zorgie

Accès banque : Mpiambina minisitry ny FAT i Zorgie

Voatonona hatrany ny “garde du corps” tato ho ato isaky ny misy raharaha maloto. (sary tahiry)
Voatonona hatrany ny “garde du corps” tato ho ato isaky ny misy raharaha maloto. (sary tahiry)

Mandroso hatrany ny fanadihadiana etsy Anosy. Ankoatra ny efa namantarana ny roa tamin’ireo mpanafika ny Accès Banque Andavamamba ,ka namoahana “avis de recherche“ an’i Voay sy Zeorgie dia mbola mitombo bebe kokoa hatrany ny vaovao momba azy ireo. Loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana no nahafantarana fa mpiambina ny minisitra iray tamin’ny andron’ny tetezamita i Zeorgie. Io farany dia nosokajiana ho isan’ny olona hatahorana tao anatin’ny taratasy fampandrenesana naparitaky ny pôlisy. Ny antony dia noho izy mbola mitazona basy any amin’ izay iafenany any.  Ankoatr’izay dia efa nigadra izy io rehefa namono nahafaty olona teny Ambohipo, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Eo dia efa mipetraka ny fanontaniana voalohany. Nahoana izy no miriaria sahady nefa vao tsy ela akory io heloka bevava niampangana azy io. I Voay sy Zorgie dia efa samy nigadra avokoa, raha araka ny fanampim-baovao. Itsy voalohany dia resaka fanafihan-jiolahy no nitazonana azy. Izy indray, raha araka ny fanamarihana, dia efa nahavita sazy. Nefa dia io niverina ho olon-dratsy io indray. “I Voay dia voatonona hatrany ny anarany raha vao misy fanafihana mitam-piadiana izay raha kely indrindra dia an-jatony tapitrisa ariary no voatafika. Ny tena hidirany an-tsehatra ihany koa dia ny” kidnapping” sy ny fanafihana mpanam-bola any amin’ny faritra” raha ny loharanom-baovao teo amin’ny BC izay tomponandraikitra amin’ny famotorana indray no nanontaniana. Tsikaritra izany, avy amin’ity raharaha fanafihana banky ity, fa matetika tafiditra amin’ny raharaha maloto ny “garde du corps”. Vao tsy ela akory ny mpiambina ny kandidà iray ho filoham-pirenena no notazonina tetsy amin’ny zandary rehefa voatonona ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fanapohana grenady, izay koa dia voamarina fa mpiambina ministra iray tamin’ny tetezamita ny iray tamin’ny nanafika ny “accès banque”. Misy baranahiny ve ny amin’ny fanomezana fitaovam-piadiana ireny olona ireny? Sa rehefa mpiambina olona ambony kosa dia manao fanaparam-pahefana, hany ka tonga hatrany amin’ny fanafihana?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser