- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAccident tetsy Alarobia : Nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpamily

Accident tetsy Alarobia : Nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpamily

Ny alarobia teo no natolotra ny fampanoavana fanindroany ilay mpamily izay tompon’andraikitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika fahafatesan’olona roa tetsy Alarobia. Ny vesatra niampangana azy dia ny fitondràna fiara anatin’ny hamamoana ary vonoan’olona tsy niniana, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany mandram-piandry ny fotoam-pitsarana. Ny talata lasa teo no nentina voalohany teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha saingy noho ny tsy fahampian’ny dosie dia nahemotra iray andro taty aoriana. Ny amin’ny fitazomana basy nataon’ilay mpamily, izay nalaza eraky ny tambajotra, dia ny polisy no nandiso izany. Nolazain’izy ireo fa isan’ny tonga voalohany teny an-toerana ny olon’izy ireo saingy tsy nahita olona nitazona basy. Raha tsiahivina, ny vavolombelona izay nanontaniana teny an-toerana dia nilaza fa  nisy fifanenjehana nataon’ny fiara nentin’ity mpamily ity tamin’ny fiara iray hafa ary izay no nitarika ny loza. Mbola ireo olona nanatri-maso ihany koa no nilaza nahita ny fitazonana fitaovam-piadiana. Tsy ela dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ilay fiara ary nisy nanao fikarohana mihitsy aza ka nahita ny sarin’ny olona tompony. Saingy mety ho fandrika izany, toa ny resaka tonenila ihany. Na izany aza dia handrasana ny fahaiza-manaon’ny mpanao fanadihadiana amin’ny fikirakirana ity raharaha ity satria ain’olona roa no very tao anatin’ny indray mipi-maso no ho ny hetraketraka sy ny hamamoana…  

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici