Vita ny alarobia teo ny fakana am-bavany, teny anivon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, ilay mpamily nahavanon-doza, nifaoka renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany anankiroa, tetsy Ambohitrimanjaka nitranga ny faran’ny herinandro teo. Natolotra ny Fampanoavana ity lehilahy ity, ary fantatra tamin’izany fa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia fiara tsy mataho-dalana iray, marika « Kia Sportage » miloko fotsy no namantana avy hatrany tany an-tanimbary rehefa tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana. Vao maraim-be no nitrangan’io teny an-toerana. Malalaka rahateo iny làlana iny, ary zara raha nisy fiara nifanena. Nandeha mafy dia mafy araka izany io fiara io, hoy ny fanazavana azo. Tamin’ity fiara ity nivoaka ny làlana no nifaoka telo mianaka kely, niandry dobo teny amin’ny sisin-tanimbary manakaiky indrindra ny arabe. Voadona no sady voahitsaka ilay renim-pianakaviana fa voafaoka kosa ireo zanany roa. Namoy ny ainy teo noho eo noho ny ratra nahazo azy moa ilay renim-pianakaviana. Naratra mafy kosa ary efa nentina namonjy hôpitaly sy nahazo fitsaboana sahaza azy ireo, tetsy an-danin’izay ireo zanany. Mety ho voamarina araka izany, fa fahadisoana bevava avy tamin’ny mpamily ity fiara ity no nahatonga ny loza, ka antony nandraisan’ireo mpitsara mpanao famotorana izao fanapahan-kevitra izao.
m.L