- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Accidents » : Olona sivy maty, am-polony maro naratra mafy

« Accidents » : Olona sivy maty, am-polony maro naratra mafy

Ilay fiara tsy mataho-dalana nivadika tetsy Ambatomirahavavy. (Sary : FEM)
Ilay fiara tsy mataho-dalana nivadika tetsy Ambatomirahavavy. (Sary : FEM)

Faran’ny herinandro mainty indray iny nivalona iny. Olona enina be izao no matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ireo làlam-pirenena manodidina an’Antananarivo, raha am-polony maro no naratra.

Ankazobe. Fiara « taxi-brousse » iray no niharan-doza tamin’iny lalam-pirenena faha-4 iny, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Andoharano-Ankazobe, ny sabotsy maraina teo. Mpandeha telo tao anatin’ity « taxi-brousse » ity no maty tsy tra-drano vokatr’izany loza izany. Raha nahatratra teo amin’ny folo mahery teo kosa ireo naratra mafy. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana dia niala ny làlana ity fiara ity, ary nivarina avy hatrany tany an-kady. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny tena nahatonga izao loza mahatsiravina izao. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary

Maevatanana. Fa mbola iny lalam-pirenena faha-4 iny hatrany. « Taxi-brousse » iray hafa ihany koa, marika Sprinter no niala làlana ary nivarina tany an-kady omaly maraina, 30km tsy hiditra an’i Maevatanana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpamily, naratra avokoa ireo mpandeha. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia toa hoe tratran’ny hafanana be loatra ilay mpamily ka tafatory teo am-pamiliana, tsy nahavita niala ilay fiolaham-be, ka dia izao nivarina tany an-kady izao. Misy milaza ihany koa ireo nahita fa toa hoe somary nandeha mafy ihany izy ity.

Antsahadinta – Atsimondrano. « Taxi-brousse Super » iray no nivadibadika ambony ambany teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambohitsakalava, Alatsinainin’Ambazaha, ny sabotsy hariva lasa teo. Saika nahitana faharatrana avokoa ny olona 30 mahery nentin’ity fiara ity. Tsy tana intsony ny ain’ny olona telo, mpivady sy vehivavy iray tao anatin’ity fiara ity. Araka ny fantatra dia tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny hisatra no nahatonga izao loza mahatsiravina izao. Taksibrosy nitondra fianakaviana avy namadika izy ity fiara niharan-doza ity. Araka ny voalazan’ireo manodidina dia toa hoe somary mamo ny mpamily ary nitsoaka avy eo niaraka tamin’ny mpanampy tamin’ny fotoan’ny loza. Nentina avy hatrany notsaboina teny amin’ny tobim-pahasalamana avokoa ireo naratra

Ambatomirahavavy. Fiara tsy mataho-dalana iray no namarana ny làlany tany anaty rano omaly hariva, teny Ambatomirahavavy. Nivadika ambony ambany tao anaty rano ity fiara iray ity. Olona telo no voalaza fa tao anatin’izy io ary samy nosokirina tao anatin’ilay fiara avokoa. Vehivavy iray kosa no namoy ny ainy vokatr’ity loza ity. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahatonga ity loza ity, fa raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia somary nandeha mafy ihany ilay fiara. Voalaza fa nisy fifaninana hafainganam-pandeha teny an-toerana tamin’io fotoana io.

Ambohimandroso. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa tamin’iny làlam-pirenena faha-7 iny omaly vao maraim-be. Mpandeha tongotra iray no nofaohin’ny fiara tsy fantatra teo amin’ny PK 86, Ambohimandroso Andafiatsimo. Lehilahy manodidina ny 40 taona teo ho eo ity olona maty tsy tra-drano nodonin’ny fiara ity. Efa eny am-pelatanan’ny zandary ny raharaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser