- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAcmil Antsirabe : Niditra amin’ny andiany faha-3 ny « Critérium »

Acmil Antsirabe : Niditra amin’ny andiany faha-3 ny « Critérium »

Fifaninanana ara-panatanjahantena eo amin’ny samy sekoly miaramila eo anivon’ny Tafika sy ny Zandarimaria ny “Critérium”. Tao anatin’ny taona telo nifanesy izao no efa nisian’ity critérium ity, niditra tamin’ny andiany fahatelo noho izany ny lalao amin’ity taona 2019 ity.

Mpikarakara no sady mpampiantrano ny Akademia miaramila eto Antsirabe. Nasaina manokana araka izany ireo sekoly miaramila eo anivon’ny Tafika sy ny Zandarimaria. Isan’izany ny Ecole d’Etat-Major sy ny “Centre de Perfectionnement des officiers” ao Fiadanana, ny sekoly ambony fampiofanana Zandary ao Moramanga sy ny sekoly fampiofanana zandary ao Ambositra, ary ny SEMIPI.

Taranja maro no ifaninana mandritra ity hetsika ara-panatahantena ity toy: ny lalao baolina kitra, Basket-ball, ny volley-Vall sy tenisy ary ny athlétisme. Mampiavaka ny critérium andiany faha-3 ny fisian’ireo taranja ara-miaramila hifaninanana toy ny “traction” sy ny “grimper” na “corde” sy ireo taranja tsy fahita afa-tsy ao amin’ny Akademia. Tanjon’ity hetsika ity ny fanamafisana ny firaisan-kina misy eo amin’ny Tafika ary ny Zandary.

Haharitra 10 andro ny hetsika izay nanomboka ny talata 9 aprily asa teo.

Nitarika ny fanokafana ny hetsika ny Jeneraly Rakotonirina Théophile lefitra faharoan’ ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici