Isan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena avy any ivelany, toa an’i Frantsa, ny fahatongavan’ireo miaramila manamboninahitra avy ao amin’ny Nosy La Réunion ao amin’ny Acmil Antsirabe . Hampianatra miaramila ao amin’ny Akademia sy ENSOA no anton-dian’izy ireo. Naharitra folo andro ny fampianarana ka niompana tamin’ny resaka taktika sy fitifirana ny fampiofanana ; izay nifarana ny Alakamisy 18 Oktobra lasa teo. Manamboninahitra , sy manamboninahitra lefitra ary miaramila tsotra no nandray ity fampianarana ity ankoatra ny ao amin’ny ENSOA. Ireo mpiofana ireo avy eo no hizara ny fahaiza-manaony any amin’ny miaramila sy ny mpianatra . Misy in-dray isan-taona ity fampianarana ity araky ny fanazavan’ny kaomandin’ny sekoly.
Isan’ny tombontsoa azon’ireo miaramila amin’ity fampianarana ity, ny fanarahana toetr’andro amin’ny taktika fitifirana, iraha-mahalala hoy hatrany ny Kaomandin’ny sekoly, fa efa lasa raha i Frantsa amin’io reseka taktika io. Mivoatra sy miova noho izany ny fahaiza-manao ary miova amin’ny nahazatra hatrizay .
Andry N.