- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Action pour Madagascar – Legasy » : Hisy ny krizim-pitantanana ny...

« Action pour Madagascar – Legasy » : Hisy ny krizim-pitantanana ny volana may hatramin’ny septambra 2021

Isan’ireo « Astrologue numérique » mandinika ny fiainana ara-politika eto Madagasikara Atoa Legasy, avy amin’ny « action pour Madagascar ». Efa maro ireo nambarany ka nitranga avokoa teo aloha teo. Ohatra tamin’izany ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana tsy nisy nahalala (Gazetiko n°4772 ny 16 janoary 2014), ny fisian’ny filoha vaovao tsy ahitana rà latsaka (Gazetiko n°4665 ny 05 septambta 2013 sy ny Midi Madagasikara n°9135 ny 09 septambra 2013), sy ireo maro hafa… Nanao fandinihana ny zava-misy indray ny tenany tamin’ity taona ity hatramin’ny taona 2024 izay nanamafy ny fandinihany teo aloha rehetra, ka maro ireo zavatra hitany sy tsikariny nandritra izany araka izao manaraka izao. Nambaran’Atoa Legasy avy amin’ny « action pour Madagascar » fa tsy hitsahatra hitotongana isan’andro ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara ao anatin’ny telo taona ho avy. Amin’ity taona 2021 ity dia toy izao ny zavatra mety hitranga, araka ny fahitan’Atoa Legasy azy. Hisy krizim-pitantanana ara-panjakana ny volana may 2021 hatramin’ny volana septambra 2021, saingy hisy fitoniany izany manomboka ny volana novambra 2021 sy desambra 2021. Nomarihan’Atoa Legasy hatrany fa hiverina izany toe-java-nisy tsy milamina izany ny volana febroary 2022. Tsy mitsaha-mitotongana ka hihamafy izany ny volana mai 2022 sy jona 2022, ary tena henjana izany ny volana desambra 2022 sy ny volana janoary 2023. Araka ity fandinihan’Atoa Legasy avy amin’ny « action pour Madagascar » ity ihany dia hihatsara ny raharaha rehetra eto amintsika any ho any amin’ny volana aprily sy ny volana jona 2023, noho ireo fifanarahana ifanaovan’ireo mpanao politika. Na eo aza anefa izany dia hiverina indray ny tsy filaminana any amin’ny volana aogositra 2023 hatramin’ny volana jona 2024, saingy nomarihany hatrany fa hihatsara ny raharaha ara-politika eto amintsika manomboka eo hatramin’ny amin’ny volana mars 2025 any ho any.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici