- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Action pour Madagascar » : “Misy dingana telo ny iainan’ny firenena”

« Action pour Madagascar » : “Misy dingana telo ny iainan’ny firenena”

Isan’ny milaza ny heviny sy ny zavatra hitany ho an’ny Madagasikara hatrany ny “action pour Madagascar” amin’ny ho avin’ny firenena Malagasy, isan’izany ireo efa nataony teo aloha tao amin’ny gazety Gazetiko laharana 4319, sy ny gazety Midi Madagasikara laharana 9135 sy ny gazety nivoaka ny 10 martsa 2021, izay nitombona hatrany izay nolazaina.

Raha ny fandalinana nataon’ny “action pour Madagascar” amin’ity taona enim-bolana farany ity tamin’ireo vintan’ny firenena sy isa mifanaraka amin’izany, dia hisy dingana telo goavana tsy maintsy andalovan’ny firenena, ka ny voalohany amin’izany dia hanomboka amin’ity volana jona ity hatramin’ny volana desambra 2023, izay vanim-potoana hisian’ny fifampitsapana hery eo amin’ireo herivelona eto firenena. Ny faharoa kosa dia ny volana janoary ka hatramin’ny volana jolay ny taona hoavy 2014, izay vanim-potoana hisian’ny fikarohana ny fifanarahana eo amin’ny olom-pirenena. Ny fahatelo amin’izany kosa ny volana jolay hatramin’ny volana martsa 2015, izay vanim-potoana ny vahaolana sy ny fampiharana izany hanakery eto amin’ny firenena.

Nilaza hatrany ny eo anivon’ny “action pour Madagascar” fa safidin’ny nahary amintsika olombelona, indrindra fa isika Malagasy sy ireo mpitarika antsika, na andeha amin’ny tsaratsara kokoa na hiditra amin’ny fifandirana aloha iay rehetra izay, vao hiditra amin’ny marimaritra ny lalàna hizorana. Samy misady izay tiany izany isika Malagasy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici