Isaky ny fiandohany taona vaovao sy famaranana ny taona toy izao, dia mamoaka y fomba fijeriny miompana amin’ny fahitany sy ny zava-msy iainan’ny firenena ny fikambanana “action pour Madagasikara hatramin’izay taona maro izay. “Mila fanavaozana ifotiny ny faharaham-pirenena” hoy izy ireo araka ny teniny tamin’ny lahatsorana nivoaka an-gazety Gazetiko ny 12 septambra 2012 laharana 4319. 13 taona taty aoriana vao tonga izany fanavaozana ifotiny izany izay nanomboka ny volana septambra 2025. Nambaran’izy ireo fa nanomboka ny taona 2024 no mankaty dia tsy mitsahatra mikorontana ny firenena ka mila mitandrona ny mpitondra sy ny mpanao politika. Niseho avokoa izay nambarany nanomboka teo, ka niezaka nandresy lahatra ny rehetra izy ireto mba hitandrina amn’izay atao. Ny zava-misy mantsy eto amin’ny firenena, fa “tsy mahay maka lesona amin’ny vanim-potoana mitranga ny mpanao politika Malagasy”. Mamerina sy manantsitrantitra hatrany ny fikambanana “action pour Madagascar” Toamasina fa “mila fanavaozana ifotony ny raharaham-pirenena”, raha tiantsika hivoatra sy handroso ny firenena. Ambaran’ny fikambanana ity fa “hatramin’ny taona 2032 dia tsy hitsahatra ny korongana eto amin’ny firenena raha tsy mitandrina sy mpaao politika Malagasy, ary tsy manaraka ny toro-hevitra”. Manao fikarohana sy mizaha an’I Madagasikara ny “action pour Madagascar” fa hitan’izy ireo fa “misy vesatra goavana ny mpitondra hatramin’ny 31 martsa 2026, ka mila mitandrina fatratra izy ireo, mba hahatongavany tanjona izay tiana ho tratrarina. Maro ny sakana sy ny fahavalom-pirenena ka mety tafitohana an-dalana ireo mpitondra raha tsy mitandrina”. Mety hanano sarotra vao tody ny fikaonan-doham-pirenena, mety handika taona iray na roa vao mety ho vita izany raha tsy mitandrina. Nambara ihany koa dia mety ho sarom-piterahana ny repoblika faha-05, ka mila mpandidy sy mpampitreraka mahay vao ho teraka izany. fomba fijery sy fandinihana ny zava-misy ihany izany, fa miankina amin’ny mpitondra sy fanarahan-dalana ihany izany rehetra izany.
Malala Didier




