Namoy ny ainy ny ramatoa nitondra vohoka tany Bemarivo andrefana, ato anatin’ny kaominina Maevatanana faharoa, ny alakamisy maraina teo. Teny an-dàlana nandeha tongotra namakivaky ny tampon-tanety sy lohasaha, hamonjy fodiana ao Bemarivo no nifanehitra tamin’ilay rafivaviny tampoka. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa avy hatrany dia tsindron’antsy no niantefa teny amin’ny kibony. Zava-nitranga tokony ho tamin’ny dimy ora hariva sy sasany teo. Vokany: maty tsy tra-drano ilay vehivavy bevohoka; izay voalaza fa tompom-bady. Taorian’izay, lasa nitsoaka ihany koa ity nahavanon-doza ity rehefa nahavita ny nataony. Taitra ny olona teny amin’ny manodidina raha nahita ny zavatra niseho, ka ny vatana mangatsiaka nitsirara amin’ny tany sy mihoson-drà sisa no tazana. Tezitra tamin’izany tranga feno habibiana izany ireo nahita ka raikitra ihany koa ny fanenjehana ny navanon-doza, saingy efa tsy tratra intsony ity farany. Ilay naratra moa, izay tsy nisy azo natao intsony ny aminy dia nentina namonjy ny toeram-ponenany, ary efa nomena ny fianakaviana ny razana. Nidina tany an-toerana avy hatrany tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany raha vao nahazo antso. Torak’izany ihany koa ireo mpitandro filaminana. Efa mandeha ny famotorana ary mitohy hatrany kosa ny fikarohana ilay vehivavy nahavita namono nahafaty ity rafiny.
Ratantely