- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAdin’ny mpivady : Maty novonoiny ramatoa, namono tena rangahy fa tsy maty

Adin’ny mpivady : Maty novonoiny ramatoa, namono tena rangahy fa tsy maty

Notatahany tamin’ny zava-maranitra ny tendany ary notsatohany vy ny lohany. Niezaka ny namono tena ity rangahy iray ity, rehefa avy namono nahafaty ny vadiny andefimandriny. Kanefa, tsy mbola anjarany angamba ny ho faty …

Tranga niseho tao amin’ny fokontanin’i Vohimena Mahafaly, ao amin’ny kaominina Ilakakabe, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy fifamalina goavana teo amin’ireo mpivady ireto. Tsy vitan’ny vava fotsiny ihany anefa izany fa niainga hatramin’ny fikasihan-tanana mihitsy nataon’ilay rangahy an-dramatoa vadiny. Nanamparan’ilay rangahy ny fony mihitsy ity vehivavy ary tsy namelany raha tsy niala hatramin’ny ainy. Taorian’ny zava-dratsy nataony, ary angamba nahatsapa ny heloka bevava vitany ingahirainy ka niezaka ihany koa ny hamono ny tenany. « Notsindrominy vy maranitra ny lohany ary nodidiany tamin’ny antsy ny tendany. Tsy maty anefa izy ka nosamborin’ireo tafika izay miambina io tanana io  ary naterina tao amin’ny tobim-paritry ny zandary tao Andoanilakaka  » hoy ny vaovao azo. Tsy notazomina ela tao amin’ny birao moa ity farany, noho ny ratra mafy nahazo azy, fa avy hatrany nentin’ireo zandary tany amin’ny tobim-pahasalamana tao an-toerana. Noho ny fahasarotan’ny ratra anefa dia nilaza ny tao amin’io tobim-pahasalamana io fa vitan’ireo mpitsabo tao fa tsy maintsy entina mihazo ny hôpitaly tany Ihosy. Nentina nihazo avy hatrany an’Ihosy ity farany ary natao tsara ambiny ihany ingahirainy, nandritry ny fitondràna azy. Nilaza ihany koa ireo mpitsabo tao amin’ity toerana ity fa tsy vita eo io fa tokony ho entina any Fianarantsoa tamin’iny fotoana iny ihany.

Sarotra ny fandidiana eto, araka ny fomba fiteny mahazatra. « Saingy na ny teo aza ny heloka bevava nataon’ity lehilahy ity dia tsy maintsy atao ny vonjy aina, ho fanajàna ny zon’olombelona. Raha ny tokony ho izy dia efa niala teto Ihosy, hamonjy an’i Fianarantsoa izy, ary mbola tsy misy hatahorana ny ainy » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary, any an-toerana, omaly. Ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa vadiny kosa moa dia efa nomena ny fianakaviany, taorian’ny fitsirahana nataon’ireo mpitsabo sy ny fidinana ifotony nataon’ireo zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici