- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAdin’ny mpivady ratsy fiafara : Nodoran-drangahy ny tranon’izy ireo, nitatra tamin’ireo tranon’olon-kafa

Adin’ny mpivady ratsy fiafara : Nodoran-drangahy ny tranon’izy ireo, nitatra tamin’ireo tranon’olon-kafa

Ny fo tokoa rano mafana ! Oha-pitenenana, izay milaza hoe tokony handinika tsara aloha rehefa tezitra alohan’ny hanaotaovana foana. Tany amin’iny faritra Anosy iny, lehilahy iray no voatondro ho nahatonga ny fahamaizana trano maromaro tao amin’ny fokontany Esokaka Taolagnaro, taorian’ny adin’izy mivady ! Ny herinandro nivalona teo iny, nitrangan’ny hain-trano goavana tao amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia enina ireo trano levon’ny afo tamin’io fotoana io. Tsy nisy ny aina nafoy saingy nahatratra tany amin’ny 31 isa tany kosa ireo olona tsy nanan-kialofana vokatr’izay voina izay. Rehefa nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra dia fantatra hain-trano niniana natao izany. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo ary tsy voatana intsony. Voalaza fa nisy fifamaliana teo amin’ireo mpivady tao amin’ity tokantrano iray ity. Tezitra tamin’izany rangahy ary naka lasantsy nararany tamin’ny trano. Tsy tam-pisalasalàna mihitsy ny nandorany io trano io. Tsy vita teo anefa fa nony niredareda ny afo dia tsy tana ary io nahavoa ireo trano teo amin’ny manodidina io. Nosamborina avy hatrany ranamana ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Izy rahateo niaiky nandritra ny famotorana fa tena nanao izay zavatra izay. Omaly moa ity lehilahy ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici