- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAdin’ny mpivady : Tsy nanaiky ny fisarahana rangahy, noboriany ny tanan-dramatoa

Adin’ny mpivady : Tsy nanaiky ny fisarahana rangahy, noboriany ny tanan-dramatoa

«Ny tokatrano fihafiana», «ny tokatrano tsy ahaka», hoy ny Ntaolo, saingy rehefa mihoatra ny fefy, misy herisetra sy rà latsaka tsy maintsy miditra ny ety ivelany. Tranga nampalahelo tokoa mantsy no niseho tao amin’ny tokantrano iray tany amin’iny distrikan’i Marolambo iny. Vehivavy iray no voatery nampidirina hôpitaly noho ny ratra nahazo azy : tapaka tarangana ny tanany anankiroa, hatreo amin’ny lanton-tsandriny no ho midina. Voalaza fa ny vadiny ihany no nahavita nanao izany habibiana tsy roa aman-tany ity. Araka ny fampitam-baovao avy an-toerana dia nisy disadisa teo amin’ireto mpivady ireto ary tonga hatramin’ny fisarahan’ireto mpivady. Nangataka ny hiverenan-dramatoa ilay rangahy saingy toa tsy nety ity farany fa efa leo ny «fomba ratsin’ity farany hoe». Tezitra tamin’io ny anao lahy ka nanampatra ny heriny tamin’ity fanaka malemy. Notombohany sy notetitetehina tamin’ny antsy ny tanan’ilay ramatoa ary tsy navelany raha tsy bory sy rimbona tanteraka. Navelany tao anaty rà mandriaka teo moa nony avy eo. Ny manodidina raha ny voalaza hatrany no nitondra ity farany any amin’ny toeram-pitsaboana. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana moa ny raharaha amin’izao ary efa mandeha ny fikarohaka ilay lehilahy nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici