Tato anatin’ny andro vitsy monja dia mpilalao ody gasy sy mpimasy nahatratra efatra no nosamborin’ny zandary. Tany amin’iny faritra Andilamena iny no tena be indrindra satria dia tao anatin’ny telo andro monja dia mpimasy telo no voasambotra niaraka tamin’ireo ody gasy marobe, izay voalaza fa fanaovan’izy ireo ody bala. Ny farany teo dia voasambotra tao amin’ny Behorefo, kaominina ambanivohitra Andilamena, izay fantatra tamin’ny alalan’ny angom-baovao azo avy amin’ny olom-pirenena. Nidinana avy hatrany tany an-tranony ity farany, teo anatrehan’ny Sefo Fokontany tany an-toerana ary sarona tamin’izany ireo ody gasy isan-karazany, toy ny mohara sy sikidy ary sary omby kely vita tamin’ny volafotsy. « Araka ny fanadihadiana dia niaiky heloka vitany izy ary mihorohoro tanteraka ireo mpimasy ankehitriny satria efa fantatra avokoa ny misy azy ireo » hoy ny fampitam-baovao azo. Marihana fa nanova tetik’ady amin’izao ireo mpitandro filaminana entina miady amin’ny resaka asan-dahalo, izay zary lasa tsy dia misy miresaka intsony noho ny fisian’ity valan’aretina mianjady eto amintsika ity. Tetik’ady izay miompana betsaka kokoa amin’ny fanenjehana ireo mpimasy sy mpilalao ody, milaza ho mahay manao ody bala ka hitokian’ireo dahalo sy anisan’ny mandrisika azy ireo hanao asa ratsy.
m.L