Ho fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena mba hifehezana ny fandriam-pahalemana sy ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ary ny fanadiovana anatiny ny Zandarimariam-pirenena, manao hetsika manokana any amin’ireo faritra heverina fa mena na mafampana amin’ny asan-dahalo ny avy eo amin’ny fibaikoana ny zandarimaria. Nanomboka tamin’ny 30 Aogositra teo, distrika telo (Mandoto, Vangaindrano ary Imerintsiatosika) no efa notsidihan’ireo tompon’andraikitra ambony avy aty Antananarivo. Tany Mandoto, nidina tany an-toerana ny lefitra voalohan’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Christophe Randriamanarina sy ny “Directeur de l’Audit et du Personnel” ny Colonel Itibar Ottman eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Nohamafisina tamin’ireo zandary ny fanajana ny fitsipika mifehy ny asa sy ny lalàna. Nampitandrina ireo zandary mihoa-pefy ny tompon’andraikitra. Tao Vangaindrano kosa, ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas, Talen’ny kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Rakotoarison Anthonny, Talen’ny fanangonam-baovao sy ny filaminana eo anivon’ny foibe fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena no nihaona nivantana tamin’ireo vahoaka tany an-toerana sy ireo manampahefana. Tanjona ny hametrahana paikady hamerenana sy hifehezana ny filaminana amin’ireo faritra Atsimon’ny nosy dia ny faritra Atsimoandrefana, Atsimo Atsinanana ary Anosy.
Tao Imerintsiatosika indray dia nijery ifotony ny tenazava-misy tsenan’omby ao Ambatonapoaka ny Jeneraly Randriamahavalisoa Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, Noresahina ny fombafiasan’ny Zandary, izay mampimenomenona ny vahoaka. Tsy nitsitsy fitenenana ny Jeneraly Randriamahavalisoa Gérard, raha niantefa tamin’ireo Zandary, izay nilazany fa tsy hisy mihitsy ny fandeferana amin’ireo izay tsy manaraka ny fitsipika sy manao kolikoly. Nisy moa ny fanomezana ny laharan’ny antso ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, raha toa ka mahita fihoaram-pefy ataon’ny Zandary sy endrika kolikoly ary momba ny tsy fandriampahalemana dia ny laharana 034.14.011.62 sy ny 034.14.013.88.
T.M.