Nahazo fankatoavana avy amin’ny fitsarana, ny zoma teo ny fampiharana ny Dinaben’ny Faritra Atsimo Andrefana. « Manomboka izao, dia tsy manan-kery avokoa noho izany ireo dina misy any amin’ireo kaominina sasantsasany ankoatry ny Dinaben’ny Faritra », hoy ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Kly Rabe Jules, hentitra. Nanamafy ny tenany fa tsy manakana ny asan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ny fampiharana ny Dinaben’ny Faritra, izay dina ifampifehezana nifanarahan’ny vahoaka sy nankatoaviny mba hampisy ny fandriampahalemana mirindra eo amin’ny ady amin’ny firongatry ny asan-dahalo sy asa ratsy samihafa no nanaovana ny Dinabe. « Efa nahitam-bokany tamin’ireo distrika teto amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiharana ny Dinabe na dia mbola tsy nahazo fankatoavana teo aloha aza », hoy ny lehiben’ny Faritra nanohy ny fanazavany. Raha ny nambaran’ity manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimariam-pirenena ity, dia hisy ny fidinana hotanterahiny any amin’ireo distrika sivy mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana ho fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Dinabe ity.
Eric Manitrisa
Ady amin’ny asan-dahalo : Nankatoavin’ny fitsarana ny fampiharana ny Dinaben’ny Faritra Atsimo Andrefana
Articles qui pourraient vous intéresser