Tamin’iny herinandro nivalona iny dia niakatra be ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina covid-19 ity eto Toamasina. Vokatr’izay dia misy ireo olona efatra mila famelomana aina, ka ny roa eo anivon’ny vonjy aina mihitsy noho ny hamafin’ny fahavoazana, ny roa hafa kosa eo amin’ny sampana famelomanaina tsotra. Ankilan’izao fiakaran’ny tahan’ny voan’ny coronavirus eto Toamasina izao dia efa ho feno amin’ny fandraisana ireo voan’ny valanaretina tsy misy soritraretina ny eny amin’ny “foyer social Canada”, an’ny seranan-tsambo amin’izao. Noho izany dia nitady toerana hafa hametrahana sy hitsaboana ireo voan’ny covid-19 tsy misy soritraretina hafa ny tompon’andraikitry ny CRCO Atsinanana sy ny CCO foibe, ka ny kianja mitafon’ny CRJS no hitan’izy ireo fa mifanaraka amin’ny fepetra napetreka izao. Vokatr’izany dia efa mandeha ny asa fanatsarana ity kianja mitafon’ny CRJS ity amin’izao, izay lasa mampisy ahiahy amin’ireo mpampiasa ity ivontoerana ara-panatanjahan-tena ity, sy ireo mpianatra ao, ary ireo onjam-peo sy fahitalavitra manofa trano amin’izany ivontoerana CRJS izany. Saika ao amin’ity ivontoerana ity avokoa mantsy no misy ireo onjam-peo sy fahitalavitra manana ny foibeny ao Antananarivo, ka isan’izany ny RNM – TVM, ankoatra ny FMA eto an-toerana ihany. Ankoatra izay dia nampiana 02 ny fiara fitondrana marary tokana eto Toamasina, entina mitatitra ireo olona ahiahiana sy efa mitondra ny covid-19 eto Toamasina. Nomena fanampiana amin’ny fiarovana sy fitaovam-pitsaboana ihany koa ny hopitaly manara-penitra Morafeno mpandray ny olona mararin’ny coronavirus, sy ny hopitaly be Analakininina izay tsy mpandray ireo marary fa mazana kosa mandray ihany ireo olona marary noho ny fahazarana. Teo koa ireo sakafo sy ny rano ho an’ny marary sy ny mpitsabo. Ny vokovoko mena sy ny Bngrc no nanolotra ireo fitaovana ireo teo anivon’ny CRCO Atsinanana ny alahady teo.
Malala Didier