- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny « coronavirus » : Olona sivy tratra nanodikodina fanampiana ho an’ireo sahirana

Ady amin’ny « coronavirus » : Olona sivy tratra nanodikodina fanampiana ho an’ireo sahirana

Io ary ilay efa nahian’ny rehetra ! Fantatra mantsy amin’izao fa olona sivy, izay saika tompona fivarotana avokoa, no nosamborina sy notanana hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny tobi-paritry ny zandary eny Andoharanofotsy, noho ny resaka fanodikodinana ireo fanomezana avy amin’ny Fanjakana tokony omena ho an’ireo be antitra sy ireo mila izany, amin’izao fihibohana izao. Niainga avy tamina loharanom-baovao iray teny an-toerana, izay nilaza fa misy tsenakely izay mivarotra ireo vary tokony natao fanampiana eny an-toerana, no nahafahan’ireo tompon’andraikitra nanao ny fanadihadiana. Nidina avy hatreny  teny amin’io tsena io izy ireo ka tra-tehaka teo tokoa ireto entana, izay tokony ho eny am-pelantanan’ireo mila fanampiana kanefa dia tsy amidin’ireo tsy valahara. Nanomboka teo ny famotorana ka nahafahana nisava tranona renim-pianakaviana iray, mpivarotra iray hafa, tsy lavitra teo. Raha ny fanazavana avy amin’ny Kaomandin’ny tobi-paritry ny zandary eny an-toerana hatrany dia sarona tao amin’io ramatoa io ny gonim-bary 25 kilao aman-jatony isa eo ho eo, niaraka tamina menaka sy savony, efa vita ao anaty « sachet » am-polony maro. Natao avy hatrany ny famotorana ka nahafahana nisambotra sy nanadihady ireo olona sivy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay, miaraka amin’ireo manam-pahefana ety an-toerana, ahafahana marina ny niavian’ireto fanampiana ireto ary hitadiavana izay ati-doha tompon’antoka tamin’izao asa ratsy izao, hoy hatrany ny fanazavàna azo. Heverina mantsy fa mety ho tambazotra iray mihitsy izy ireo matoa efa miparitaka amin’ireo tsenakely eny an-toerana izany entana tokony ho zaraina maimaim-poana ho an’ireo sahirana izany. 

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici