Manoloana ity ady amin’ny valanaretina Covid19 izay manafika ary mapihorohoro izao tontolo izao ity, noporofoin’ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana mivondrona ao amin’ny FiTRAMA (Fikambanan’ny Tradipraticiens Malagasy), izay manana ny foiben-toerany eo amin’ny fokontany 67 ha Atsimo fa tsy tokony hanahirana ny Malagasy ny miady amin’io fahavalo iombonana io. Ananantsika Malagasy ny fanafody sy ny fanefitra hiatrehana sy hiadiana amin’izany ary manana traik’efa iatrehana izany ireo mpitsabo nentim-paharazana Malagasy, hoy ny filoha sy tale jeneralin’ny FITRAMA izay efa orinasa ankehitriny, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Noporofoin’ity fikambanana ity tamin’ny alalan’ny tatitry ny asa vitany ny fahombiazan’izany, ny alakamisy teo, nadritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Notsindriany manokana fa maimaim-poana no nanaovana izany ary natao ho famaliana ny antson’ny Filoham-pirenena ny amin’ny handraisan’ny rehetra izay manana ny fahaizana sy fahalalana mba handray anjara amin’ity ady lehibe ity. Nahomby tokoa ny fitsaboana nataon’ity fikambanana ity raha ny vokatra naseho omaly ary azo porofoina amin’ny antontan’isa noraisina nandritra ny telo andro farany.Nahatra 920 olona no noraisina an-tanana ka nisy tamin’ireo no efa sempotra mihitsy. Dimy minitra monja anefa dia tafatsangana ary nahatsiaro maivana ireo olona ireo. Nanamarika anefa ity filoham-pikambanana ity fa mijanona hatreo amin’ny famahana olana toy izay ihany no tena ataon’izy ireo fa ny tena fitsaboana dia anjaran’ny dokotera no manao izany, indrindra raha hita fa efa nisy fiantraikany any amin’ny taova ny Covid-19. Tsy hijanona eto Antananarivo ity hetsika ity fa efa ao anatin’ny tetikasa ny ho any amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, Toliary ary Toamasina.
T.M.