Avy any an-drenivohitr’i Vakinankaratra ary hihazo an’Antananarivo ilay fiara mpitatitra marary no nosavaina tampoka. Tsy neritreretin’ny mpamily mihitsy ny zava-nitranga, satria matetika dia omena alàlana sy afaka mivezivezy tsy mila fisavana taratasy ireny karazam-piara ireny. Teo Ampiaviana, eo am-pivoahana an’Antsirabe izany, no nosakanan’ny mpitandro ny filaminana. Natao tokoa ny fisavàna ary hita tao, fa olona salama be no notaterina tamin’ilay fiara mpitatitra marary. Teo ihany dia navoaka ireo ary nanokafana fanadihadiana niaraka tamin’ny mpamily. Io alin’ny alatsinainy io dia nilaza ny zandary misahana ny fari-piadidiana ny faritra Vakinankaratra fa marobe ny olona nikasa ny hihazo an-tsokosoko an’Antananarivo, saingy tratra teo am-pisavàna ny fiara izay nitondra azy ireo. Nampanaovina asa ho tombontsoa iombonana aloha izy ireo ; izay miisa dimy, izay ny fepetra voalohany ary ny mpamily kosa dia iharan’ny sazy noho ny fandikan-dalàna. Raha araka ny fanampim-panazavàna dia an’ny hopitaly Befelatanana ilay « ambulance ». Manao izay fomba rehetra hivezivezena ny olona ary isan’ny olana lehibe amin’ny ady amin’ny tsy hiparitahan’ny Covid-19 izany. Tany amin’ny faritra Sava dia olona sivy no saika hihazo an’i Maroantsetra ary somary hafakely, satria nanofa fiaramanidina izy ireo. Koa satria tsy nisy fahazoan-dàlana manokana avy hatrany dia tsy navela nihetsika ilay fiaramanidina. Rehefa vita ny pitsopitsony tamin’ny fanadihadiana dia naverina any Antalaha izany na dia efa tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina tao Maroantsetra aza. Fiaramanidina, bisikileta, moto, fiara mpitatitra, ambulance, fiara tsotra ary dia an-tongotra. Samy nampiasa izay fananany sy takatry ny volany avokoa mba hahafahana mody, indrindra ireo mpiavy. Raha ny tombana aza dia feno olona any anaty tandavanala any mifamezivezy, any mantsy mba tsy hitan’ny mpitandro ny filaminana. Izany anefa dia mbola manamora hatrany ny mety hiparitahan’ny Coronavirus. Mila dinihina lalina…
D.R