Arotava 3 000 sy fitaovana fanaovana fitiliana 250. Ireo no natolotry ny masoivohon’ny Firenena Japoney miasa sy monina eto Madagasikara Higuchi Yoshi ho an’ny Tafika Malagasy nandritra ny fitsidihany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard teny amin’ny toeram-piasany eny Ampahibe, omaly. Fitsidihana voalohany izao taorian’ny fanendreana azy ho masoivoho eto Madagasikara. Tanjona tokoa ny hiarovana bebe kokoa ireo miaramila mitsabo ny valan’aretina Covid-19 mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny adidy aman’andraikiny. Noho izany, nisaotra sy nakasitraka izao fihetsika izao ny Minisitra. “Ady iombonona ity ady ity, hoy izy, ka rariny raha mifanome tanana ny rehetra. Ny Tafika dia hanohy hatrany ny ezaka efa vita sy hilofo hatrany amin’ny ady amin’ity aretina ity amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa napetraka, toy ny ao Mahamasina”, hoy izy. Ireto fitaovana dia hampiasan’ireo miaramila mpitsabo sy mpitsabo mpanampy misehatra eo anivon’ny « Plateforme Nationale de Gestion Médicale Covid-19 » sy ny « Brigade d’Intervention Spéciale » (BIS). Ireo ao amin’ny BIS no manampy ny famindrana ireo marary any amin’ny toeram-pitsaboana ary manao fitiliana any an-trano. Tsy nohadinoin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ihany koa ny niarahaba sy nirary soa ity Masoivoho vaovao ity amin’izao nanendrena azy hiasa eto Madagaikara izao. Tao anatin’izany no nanehoany ny fahavononany hanohy sy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta, indrindra ny eo amin’ny ara-tafika. Tao aorian’izay dia nandray ny solontenan’ny fikambanana “Chaine de l’espoir”, Ramatoa Ramamonjisoa, teny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (HOMI) ny Minisitra. Ity farany dia nanolotra fitaovana fiarovan-tena toy (EPI), arotava, gels désinfectants sy zavatra maro samihafa ho an’ireo mpitsabo eo anivon’ity hopitaly ity. Ny “Chaîne de l’espoir” izay efa mpiara-miasa naharitra tamin’ny HOMI dia fikambanana manampy amin’ny fikarakarana sy fitsaboana ireo zaza manana olana eo amin’ny fo.
T.M.