vendredi, avril 18, 2025
AccueilCOVID-19Ady amin’ny COVID 19 : Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny hiverina amin’ny fihiboana

Ady amin’ny COVID 19 : Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny hiverina amin’ny fihiboana

Manaiky ny Malagasy fa misy tokoa ny valan’aretina COVID 19 eto Madasikara. Na eo ary izany, ny fanadihadiana dia ahafahana fa tsy zakan’ny Malagasy intsony ny mbola hiditra amin’ny fihibohana hiadiana amin’ny fiahanak’ity loza ity eto amin’ny Firenena. Ny Fikambanana HAFARI Malagasy izay miara-miasa amin’ny Fitsaboana nentim-paharazana FITRAMA, izay manana ny foiben-toerana ety amin’ny 67 ha atsimo no namoaka izany tsoa-kevitra izany torian’ny fanadihadiana izay nataon’ity fikambanana ity nandritra iny herinandro lasa iny. 97 % ny Malagasy no hita sy tsapa fa tsy te-hiditra amin’izany fihobohana izany intsony noho ny fahasahiranana izay mianjady amin’ny vahoaka vokatr’ireny fihiboana ireny, hoy ny folohan’ny HAFARI Malagasy sady Filoha tale jeneralin’ny FITRAMA raha nitatitra ity vokatry ny fikarohana nataon’ny mpikambana misandrahaka manerana ny Nosy. Manolona izany dia mahatsapa ny HAFARI Malagasy fa ny hany vahaolana mahomby manaoloana izao toe-raharaha ankehitriny izao dia ny fizarana miara-miaina amin’ity aretina ity amin’ny alalan’ny fisorohana sy ny fitsaboana. Ny fisorohana dia ny fanajana ny fihetsika sakana na « gestes barrières » sy ny fanaovana vaksiny. Ny fitsaobana kosa dia manana ireo fanafody nentim-paharazana izay hitanay fa mahomby zato isan-jato ny Malagasy toy ny hevoka ny fitanehana ireo zava-maniry isan-karazany izay ananatsika betsaka. Ny fiadina amin’ity aretina Corona virus ity dia tsy tokony mihitsy hanimba ny sosialy. Noho izany ilaina ny fifanampiana eo amin’ny rehetra mba hiatrehana izany. Ilaibna ny fandraisana andraikitry ny tsirairay. Eo amin’izay lahiny fandraisana andraikitra izay dia nanambara ny avy eo amin’ny FITRAMA fa vonona hitsabo raha misy olona voalaza fa voan’ny COVID 19 tonga eo amin’izy ireo. Tsy hanavahana mihitsy io na manambola na tsia ilay marary ary vonona hitsabo maimai-poana ny fikambanana. Nomarihina anefa fa tsy afaka hilaza ny FITRAMA fa corona no mahazo ny olona satria ny mpikambana ao dia tsy siantifika fa mpitsabo nentim-paharazana ihany. Toy ny tazo ihany no fiheveranay io aretina io ary dimy minitra ihany ka manana ny fomba itsaboana ny fikambanana ka dimy ninitra ihany dia efa ahitana vokatra izany, hoy ny Tale jeneraliny. Nanamarika ihany koa ny Filohan’ny HAFARI fa tokony hojerena ireo aratina mitaiza toy ny diabeta sy ny aretin’ny voa izay miatrika fahafatesana betsaka amin’ny COVID 19. Manentana ihany koa ny Fikambanana ny tsy tokony hampiasana be loatra ny vata fampangatsiahana na ny frigo fa izan’ny tena mampirongatra sy manome hery ity valan’aretina ity, izay tena mamely toa manomboka ny volana novambra ka hatramin’ny volana Aprily raha araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo hatrany.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici