Manantanteraka ny hetsika manokana, nampitondraina ny anarana hoe “diovy” ireto mpitandro filaminana any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy, entina hamerenena ny fandriampahalemana sy ady atao amin’ny dahalo. Fantatra ary fa nahitana vokatra tsara ity hetsika ity, raha ny fampitam-baovao nataon’ny Tafika Malagasy. Raha ny tao amin’ny kaominina Iabohazo sy Etrotroka hany monja nandritra izay herinandro vitsivitsy izay dia voalaza fa dahalo manodidina ny 30 isa no azo sambo-belona. Malaso miandahy miambavy, nahitana mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maro nitranga tany amin’iny faritra iny sy ny manodidina. Ody maro tsy tambo isaina ihany koa araka izany no tra-tehaka teny am-pelatanan’ireto olon-dratsy ireto. Ankoatr’izay, maro ihany ireo fitaovam-piadiana tratra sy azo teny amin’izy ireo. Basim-borona, basy vita gasy nahatratra teo amin’ny 16 isa teo sarona, niaraka tamin’ny grenady iray, araka ny fampitam-baovao hatrany. Teo anatrehan’izay, taorian’ireo fifandonana maro samihafa, nifanandrinan’ireo mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo, dia tafaverina soa aman-tsara ny omby 416. “Araka ny baiko efa nomen’Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena dia napetraka daholo ny paikady rehetra ahafahana mamerina ireo omby ary ny hisamborana ireo mpanao asa ratsy. Ankehitriny dia efa miverina ny filaminana ao amin’ireo tanàna manodidina ny kaominina Iabohazo sy Etrotroka. Raha ny tomban’ezaka naton’ny OMC dia hita fa tsara ny vokatra azo taorian’ny hetsika” raha ny fampitam-baovaon’ny Tafika hatrany. Efa samy natolotra ny zandary tany an-toerana avokoa moa na ireo fitaovam-piadiana tratra na ireo dahalo voasambotra mba hanaovana fanadihadiana. Heverina fa ao anatin’izany ny loharano nahazoan’ireto olon-dratsy ireo fitaovam-piadiana
m.L