Nanaovana hetsika manokana mihitsy ireo trangana fakàna an-keriny, nanao ranolava tao ho ao izay, tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Samy miara-misalahy, manao ny fikarohana ireo olon-dratsy, atidoha ao ambadik’izany, ireo eo anivon’ny mpitandro filaminana, na ny zandary izany na ny pôlisy. Raha ny fantatra mantsy, ankoatra ireo dahalo any an-toerana manao ny « opération » dia olon-kafa, izay mazàna tsy any an-toerana akory, misy mpiray tendro amin’izy ireo : mpamatsy bala, mpanome vaovao, mampiantrano sy ny maro hafa.
Vao tsy ela akory izao, nampahafantatra ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, fa mpamatsy bala ireo mpaka an-keriny tany Anjozorobe, miisa telo no voasambotra, ny herinandron’ny pantekosta lasa teo, taty an-drenivohitra (tetsy Anosy, Ambodiady ary Andohatapenaka). Rehefa natao ny fisavàna ny tranon’ireto farany dia mbola nahitàna bala an-jatony isa tao amin’izy ireo : « calibre 12 miisa 425 ary calibre 16 miisa 25 ». Natolotra ny Fampanoavana ireto farany ny talata lasa teo ary nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy. Talohan’ity an’ny polisim-pirenena izay famotorana nosahanin’ny sampana misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra ity anefa dia efa nampahafantatra ihany koa ny zandary, tamin’ny alalan’ny sampana misahana ny fikarohana heloka bevava fa nisy olona roa voasambotr’izy ireo. Voarohirohy tamin’ny resaka famatsiana fitaovam-piadiana ireo mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Anjozorobe sy Ankazobe iny ihany koa ny lehilahy. Tamin’ny fisavàna ny tranony dia mbola nahitàna karazam- basy maromaro sy bala an-jatony ihany koa tao.
Tsiahivina fa talohan’ireto mpamatsy basy voasambotra ireto dia efa nisy ihany koa ny vokatra sy ireo voasambotra maromaro, tao anatin’ny hetsika manokana fampandrian-tany any an-toerana. Raha ny fanazavana nomen’ny Tonian’ny Fampanoavana dia efa maromaro izy ireo, izay ankoatra ireo dahalo dia nahitàna olom-boafidy sy olom-boatendry, toy ny sefo fokontany lefitra tao Antevamarina, ny Ben’ny tanana tao Beronono, Marotsipoy ary Amboasary Avaratra ary mpitandro filaminana, nahitàna pôlisy, zandary ary miaramila.
Tsy mihanona fotsiny amin’ireo vokatra ireo ny tompon’andraikitra fa mbola manohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy sy ny mpiray tendro aminy hatrany, raha ny fanazavany.
Marihana fa na dia eo aza izay hetsika arahina vokatra izay dia mbola misy hatrany ny trangana fakàna an-keriny any an-toerana. Vao tsy ela akory izao fa ny herinandro lasa teo dia renim-pianakaviana iray no fantatra nalain’ireo olon-dratsy an-keriny.
m.L