Hentitra ary tena tsy nisomonga ireo mpitandro filaminana amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara sy olona hita ho mbola manao antsirambina ny fiarovana ny ainy sy ny an’ny hafa manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Omaly, nandritra ny tapak’andro maraina fotsiny ihany dia efa nahatratra 43 ireo fiara mpitatitra naiditra ambalam-pamonjàna teto Antananarivo Renivohitra, raha nahatratra 32 kosa izany tany amin’ireo faritra manodidina. Am-polony maro tany ho any ireo olona niaraka tamin’ireto fiara ireto, ny mpamily sy ny mpanampy azy no nampidirina “violon” avy hatrany, araka ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena.
Mbola betsaka ireo fiara mpitatitra no tsy manaraka hatrany ny fepetra apetraky ny fitondram-panjakana hiadiana amin’ny fiparitahan’ity valan’aretina Covid-19 ity. Anisan’izany ireo fiara mpitatitra indrindra fa ireo taxibe eto an-drenivohitra mbola manao taingim-be, mampiasa ilay seza afovoany, na tsy manana “gel désinfectant” akory. Araka ny antontan’isa voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia nahatratra 43 ireo voasava omaly hatramin’ny roa ora tolakandro. Samy nampidirina « fourrière » avokoa moa izy ireo ary nahiboka an-tranomaizin’ny polisy avy hatrany ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Tamin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo kosa dia nahatratra 32 ireo fiara voatery naiditra “fourrière” noho izay tsy fanarahan-dalana voalaza etsy ambony izay. Ny 21 tamin’ireo, hoy indray ny antontan’isa azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, dia saika fiara mpitatitra avokoa. Ny sivy fiaran’olon-tsotra ary ny roa dia kodiaran-droa. Ho an’ireto farany ireto dia voalaza fa tao ireo olona tsy nanao “cache-bouche” tao anatiny, tao ireo nanao taingim-be mihoatra ny fetra tokony ho izy voalazan’ny “carte grise” ary tao ireo lasa manao fitateran’olona tsy ara-dalàna.
Ankoatra ireo, raha teny amin’ny manodidina ny renivohitra hatrany, dia nisy olona telo voatery nosamborina sy nanaovana fanadihadiana rehefa tsy nety nijanona tamin’ny sakana ary nisy tamin’ireto olona ireto aza no mbola nahatratrarana rongony tany aminy.
Ho an’ireo mpandeha an-tongotra indray dia efa tafakatra any ho any amin’ny 300 isa any ho any ireo olona voatery nampanaovina asa ho amin’ny tombotsoan’ny daholobe noho ny tsy fanaovana arotava, raha ny omaly maraina fotsiny io, na ny teto an-drenivohitra na tamin’ireo faritra manodidina.
Tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay hatrany moa ireo mpitandro filaminana, ny amin’ny tokony hanarahana ny fepetra sy lamina napetraky ny Fanjakana hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity, izay niha nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsivitsy izay teto an-drenivohitra sy ny manodidina. “Arovy ny tenanao sy ny hafa, hoy izy ireo, fa rehefa tsy mety aminao izany dia izahay no handray andraikitra, hanoka-monina anao hiarovana ny hafa”. Marihana moa fa nisy ny fidinan’ireto tompon’andraikitra voalohany misahana ireo mpitandro filaminana telolafy, ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekretera Jeneraly misahana ny zandarimariam-pirenena teny an-kianja nanara-maso ireo fisavàna ataon’ireo mpitandro filaminana, omaly.
m.L