Noho ny firongatry ny halatra lavanila mahazo laka any amin’ny Faritra Sava, dia raikitra nanomboka omaly ny “Opération” lehibe fampandriana fahalemana ataon’ny Zandary amina kaominina 86. Ity hetsika ity moa raha ny fantatra, dia tarihan’ny Komandin’ny Vondrontobim-pileovan’ny Zandarimaria ao Sava, ny Lieutenant-Colonel Besoa Sirnot. Ary ho fanohanana an’ity “Opération” goavana ataon’ireo mpitandro filaminana ity, dia nanolotra fiara tsy mataho-dalana efatra ny vondron’ny mpandraharaha lavanila GPAS (Groupement des Préparateurs Acheteurs de vanille Sava) any an-toerana. Ankoatr’io ady lehibe io, raha ny fanazavana azo hatrany, dia olana tsy mampitovy hevitra ireo mpamboly ihany koa ny momba ny « arrêté ministeriel » izay namoahana ny daty 15 Jolay 2018 ho fanokafana ny tsena taom-piotazana lavanila, satria dia ny vahoaka indray no lasa mibaiko fanjakana ka miteraka fifanolanana, hoy ny filohan’ny « Plate Forme vanille », Atoa Tombo Tam. Nambaran’ity mpandraharaha ity hatrany, fa « ity taona ity no farany omen’ ireo mpanafatra lavanila avy any ivelany an’i Madagasikara ny mba hanarenana haingana ny kalitaon’ ny vokatra, fa raha mbola ratsy foana izany kalitao izany, dia eto isika samy sahirana eto ».
Eric Manitrisa