Manana fikasana hametraka tambanjotra matanjaka mba hijoroan’ireo vahivavy nianjadian’ny herisetra ao an-tokatrano, mba ahafahany mandray anjara amin’ny fampivoarana ny fiainany ny fikambanana FPFE eto Madagasikara. Notontosaina tao amin’ny efitrano filanonan’ny “Rainbow” Ambohijafy ny talata 11 janoary teo, ny fihaonana notarihan’ny Rtoa Via Yollande, mpitsara sady loholona teo aloha, mpandridra nasionalin’ny fikambanana FPFE na (Fédération pour la Promotion Féminine et Enfantine).
Vehivavy miisa 75 be izao avy amin’ny ivotoerana dimy no nandray anjara tamin’ny fiofanana, hiatrehana ny paikady ho fanoitra handresena ny hetraketraka an-tokatrano, ka hirosoana amin’ny fandraisana anjara ho fampandrosoana ny tena. Eo koa ny mba ho fanoitra amin’ny fametrahana ny tena miralenta sy fampanajana ny zo maha-lahy sy maha-vavy, tsy hisian’ny hetraketraka an-tokatrano. Ny tanjona dia ny fametrahana tambanjotra matanjaka mba irosoan’ny vehivavy nianjadian’ny herisetra an-tokatrano, mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny fiaraha-monina misy azy ary ny fokontany sy ny kaominina honenany ihany koa. Nanamafy ny fihaonana an-databatra boribory nataon’ireo mpikamban’ny FPFE, fa isan’ny nampiakatra ny herisetra tamin’ireo vehivavy sy tamin’ireo lehilahy sasany tao Toamasina renivohitra sy ny manodidina ary Moramanga, ny fisian’ireo teratany vahiny maro niasa tao amin’ny tetikasa Ambatovy. Nisehoan’izany koa ny tao Ampasamadinika raha ny mpizahantany mamoafady kosa no niroborobo tao Mahavelona Foulpointe. Vokatr’izany dia samy nanolotra ny anjara birikiny ireo fitaleovam-paritra tonga tamin’ity fihaonana ity, isan’izany ny talem-paritry ny jono sy ny fambolena ary ny fiompiana, hanome fanofanana sy tohana ara-pitaovana; toy izany koa ny fampianarana teknika sy fampihofanana arakasa mba hampihofana ireo iharan’ny herisetra. Ankilan’izay dia vehivavy miisa 75 no voahofan’ny FPFE nandritra ny telo andro, ny 12 – 13 – 14 janoary, tao anatin’ny “Ivon-toerana Fihainona sy Fanomezana Totohevitra ara-Lalana” miisa dimy (Toamasina I – Toamasina suburbaine – Ampasamadinika – Mahavelona Foulpointe – Moramanga) eto Toamasina. Nahitana vehivavy niisa 15 koa nandray anjara nandritra ity fihaonana nataon’ny FPFE ity teto Toamasina.
Ankoatra izay dia ny fitantanana ny fiainany amin’ny fahaizana mitantam-bola no fanofanana nomena ireto vehivavy ireto tamin’izany,. ny antony dia ny ho fampitomboany sy ho fanatsarany ny asa ataony amin’ny fiompiana, ny varotra, ny fambolena, fanjairana, asa tanana samihafa fanaon’izy ireo amin’ny fanatsarana ny “AGR na Activité Géneratrice de Revenus”. Tohanan’ny firenena kanadiana sy ny firenena miteny ampahany na manontolo ny ny teny frantsay ny fandaharanasan’ny FPFE.
Malala Didier