Ho fampiharana ny toro-marika nomen’ny Filoham-pirenena nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 novambra 2020 teo mikasika ny ady atao ho fampitsaharana ny herisetra mianjady amin’ny olona marefo, indrindra ny resaka fanolanana mihatra amin’ny ankizy izay toa nahazo vahana tato ato dia nanome baiko ny mpiara-miasa aminy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur General de Police Randrianarison Fanomezantsoa mba hirotsaka an-tsehatra hanao fanentanana eny ifotony, eny anivon’ny sekoly samihafa na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, eny anivon’ny fokontany sy ireo fikambanana maro samihafa. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny filoham-pokontany izay miahy mivantana ireo vahoaka ao aminy ary toa-teny ao amin’ny faritra misy azy. Ny tanjon’ny hetsika dia hampahafantatra amin’ny besinimaro ny fototry ny ady, ny tokony hatao ho fisorohana ny asa ratsy tsy hitranga ary ny fanentanana ny olona mba ho sahy hiteny, hitoroka ary hitory raha mahita trangana herisetra sy fanolanana miseho. Ho fananterahana izany dia ny Controleur General de Police Rakotozanany Dany Marius mihitsy no nitarika ny fanentanana tany amin’ny Distrika Antananarivo avara-drano, ny omaly alarobia 18 novambra.Fidinana ifotony izay nahitana ireo Filohan’ny Fokontany avy amin’ny Commune efatra Ankadikely, Sabotsy Namehana, Manandriana ary Anosy Avaratra. Filoham-pokontany maro no tonga nanatrika izany miampy ny avy amin’ireo sekoly maro avy any an-toerana sy ny fikambanana maro samihafa. Ny tolakandron’io kosa dia ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena no nitarika ny fanentanana. Manodidina ny 200 olona teo no tonga nanatrika izany ka ireo indray no hitondra fanentanana any amin’ny misy azy avy.
Tsy ny eto amin’ny faritra Analamanga ihany no hanaovana izao hetsika izao fa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Efa nanomboka ny azy ny faritra Vakinankaratra, ny 03 novambra 2020 ka tao amin’ny sekoly La Providence, ny LARA (Lycee Andre Resampa Antsirabe), ny 09 novambra. Tany amin’ny faritra Betsiboka kosa, ankoatry ny fanentanana natao tao amin’ny Radio iray tany an-toerana dia ny natao CEG Benoit Bevava no nanaovana izany, ny 16 novambra teo ka mpianatra miisa 1226 no nahazo fanentanana tamin’izany. Nanao ny azy ihany koa ny ao Ihorombe sy Menabe ny 18 novambra. Ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Alaotra Mangoro dia efa nanao ny fanentanana tao amin’ny radio Barawa any an-toerana nandritra ny fandaharana atao hoe « zava-misy ». Marihina fa ankoatry ny resaka ady amin’ny herisetra atao amin’ny olona marefo dia voaresaka mandritra izao fidinana ifotony izaao ihany koa ny ady amin’ny zava-mahadomelina.
T.M