- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny kolikoly ara-nofo eto Toamasina : Miara-miasa ny CSI sy ny BFP...

Ady amin’ny kolikoly ara-nofo eto Toamasina : Miara-miasa ny CSI sy ny BFP ary ny Transparency International

Ny alakamisy 21 septambra teo no nanazava ny ady ataony amin’ny kolikoly ara-nofo teto Toamasina ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité), niarahana tamin’ny Transparency International amin’ny alalan’ny « CAJAC » sy ny BFP (Brigade Féminine de Proximité). Nambara tamin’izany fa mirongatra izany eto Toamasina tato ho ato izao, ka ny 30% ny olona nanontaniana araka ny fanadiadian’ny Transparency International nilaza ny fisian’izany, ka teo ireo nahita teo koa ireo niharany mivantana. Araka ny famaritana nomen’ny CSI tamin’ny alalan’ny Rtoa Ramiandrasoa Jessie dia olona manao fihetsika rehetra eny am-pianarana sy araka asa ka isandana vola izany no atao hoe kolikoly ara-nofy ; ka miteraka voka-dratsy izany ohatra amin’izany ireo mety ho afaka fanadinana nefa tsy mahay akory. Vokatra izany dia nilaza ny CSI fa azo saziana araka ny lalàna ny mpanao izany satria miara-miasa amin’ny ministera ny fitsarana – ministera ny fanabeazam-pirenena – ny vondron’ny mpisolovava – ny fikambanana Tolontsoa… izy ireo. Mahatsapa izy ireto fa fahita eny amin’ny Anjerimanontolo sy ny lisea ary ny CEG ity kolikoly ara-nofo ity, ka mitondra fiatraikany ratsy amin’ireo niharany izany. Ankilan’izany dia miasa mafy amin’ny fanentanana izany ny « Brigade Feminine de Proximité » hoy ny inspektera Raharitsoa Fabienne, ka efa maro ireo voaentana mikasika izany ka sahy mitoroka eny anivon’ny polisy misahana izany. Misy raha teo ny finday azo antsoina eo amin’izy ireo dia ny « 032 23 642 99 », ka azo antsoina anatin’ny 24ora/24 sy 7 andro/07 izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici