Ho fiadiana amin’ny tazo moka, toy ny faritra rehetra manerana ny Nosy, dia notanterahana ny 10 septambra lasa teo, teto amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny fizarana amin’ny fomba ofisialy ny lay misy ody moka, izany dia mandritra ny 15 andro.
Nandritran’ireo fizarana natao amin’ireny toerana voatondro ireo, dia nisy hatrany ny torohevitra sy fanentanana nomen’ireo mpanentana ara-pahasalamana momba ny fampiasana ny lay misy ody moka. Nentanina manokana arak’izany ireo fianakaviana mba hatory hatrany ao anatin’ny lay, fa indrindra ireo vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona. Entanina ihany koa, ny isan-tokantrano mba hitandrina ny fahadiovana manodidina ny trano fonenany amin’ny fanesorana ny lobolobo sy ny rano miangona. Toerana izay mitarika ny moka.
Anisan’ny faritra anjakan’ny tazo moka ihany koa ny eto Amoron’i Mania, ka ilaina ny fisorohana an’izany amin’ny fampiasana ny lay misy ody moka ; izay nomen’ny fanjakana maimaimpoana ho fisorohana ny fahafatesana.
Anastase