- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tsaho sy ny vaovao diso : Nampahafantarina omaly ny tetikasa...

Ady amin’ny tsaho sy ny vaovao diso : Nampahafantarina omaly ny tetikasa « Rooted in trust 2.0 »

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Hôtely Havana, Ambohidahy, ny fampahafantarana ho an’ny daholobe ny fisian’ny tetikasa « Rooted in Trust 2.0 » na « Miorim-paka amin’ny fahatokisana ». Tetikasa izay novolavolain’ny Internews sy ny Ong Ilontsera, ary tohanan’ny Usaid, izay manohitra ny fihanaky ny tsaho sy ny vaovao diso ary mikendry ny fanaovana ny vaovao mari-pototra. Izany dia mba ho fitaovana enti-miady amin’ny areti-mandoza, indrindra fa ny Covid-19. Efa nanomboka tany amin’ny volana oktôbra 2022 tany no niantombohan’ny famolavolana ity tetik’asa ity, izay efa nahavita drafitr’asa maromaro. Tao anatin’izany ny fanangonana ireo tsaho miely eny amin’ny fiaraha-monina eny, manodidina ity valan’aretina ity, izay niarahana nitafatafa tamin’ireo olona eny ifotony. Tao ihany koa ny fanofanana ireo mpanao gazety, izay manana anjara sy adidy mavesatra amin’izany ady amin’ny vaovao diso izany, noho izy ireo mpampita ny vaovao eny anivon’ny fiaraha-monina. Mbola any amin’ny volana aprily any ho any vao no ho tapitra ny tetikasa, hoy ny fanazavana azo. Ao anatin’izao telo volana izao, araka izany no hanatanterahana ny paik’ady entina hiadiana amin’izay vaovao diso izay, amin’ny alalan’ireo karazana hetsika hotanterahana. Marihana fa faritra 12, izay ahitàna distrika 24, hatreto no hiasàn’ny tetik’asa ary tao anatin’izay, dia nahatratra 56 ny isan’ireo tsaho manodidina ny Covid-19 voangona. 45 isa kosa ireo mpanao gazety nahazo fiofanana sy mbola handray izany, izay avy amin’ny orinasan-tserasera miisa 44.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici