- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tsy fandriampahalemana : Mihetsika avokoa ny polisy eto Toamasina

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : Mihetsika avokoa ny polisy eto Toamasina

Tonga dia asa avy hatrany ny an’ny polisim-pirenena eto Toamasina, hoy ny talem-paritra Rakotovao Jean Christian, satria efa tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy raha teo ny kaomisera vaovao nisolo ny toerany teo aloha ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoel Tsiky. Nazava ny baiko avy amin’ny talem-paritra, ka feno mpitandro filaminana ny Tanàna na andro na alina tato ho ato izay. 

Eo am-panadihadiana ilay lehilahy voatifitra teny Ambolomadinika farany teo izy ireo izao, nefa tsy nisy zavatra very teny aminy nandritra izany. Tokony tany amin’ny 8 ora alina tany no nitrangan’izany ary ilay vehivavy niaraka tamin’ny tsy naninona tamin’izao tifitra izao, hatreto aloha tsy fantatra ny antony fitifirana na valifaty na iraka olon-kafa. 

Nazava ny teny midina fa fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra no tanjona, vokatra izany tao anatin’ny fotoana fohy dia nahatratra 32 sahady ireo olona voasambotra, izay tsy maintsy nahiditra am-ponja vonjy maika izy ireo noho izy ireto tafiditra amin’ny tambanjotra na mpamaky trano, fivadiam-pitokisana, fisolokiana…sy ny heloka maro samy hafa. 

Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny kaomisera centrale Toamasina, ny kaomisera Rakotondrainivovova Panoel Tsiky, dia isany andraikitry ny polisy ny fisorohana tsy hisian’ny loza na trangan-javatra miendrika fandikan-dalana; raha tsorina hoy ity kaomisera ity dia “ ny 80% ny asan’ny polisy dia ny fisorohana ka izany indrindra no hametrahana polisy isaky ireny vigie ireny mba hisian’ny polisy manakaiky vahoaka”. 

Tao anatin’ny telo herinandro nanaovana ny hetsika izao dia nahatratra 749 ny fisavana sy fanaraha-maso ny fiveziven’ny olona sy fitaovam-piadiana hafa natao, ka ireo fitaovam-pitaterana no nanaovana izany toy ny môtô – tuc-tuc – posy – fiara tsotra…mba hisorohana ny mety ho asa ratsy hiseho.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici