Miparitaka tokoa ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao izay isan’ny mampahazo vahana ny resaka tsy fandriampahalemana eto amintsika. Fantatra ary nandritry ny valan-dresaka nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenenena fa basy mahery vaika efa manodidina ny 50 any ho any sahady no azon’ny zandary teny am-pelan-tanan’ireo mpanao ratsy nanomboka ny fiatombohan’ny taona teo. Marihana fa nandritry ny taona lasa iny dia nahatratra hatrany amin’ny 92 ny isan’izany basy azo izany. Nanamafy ity tompon’andraikitra voalohany miandraikitra ny zandary ity fa efa nisy tetik’ady napetraka hiadiana amin’ity fiparitahan’ireo fitaovam-piadiana ireo ary tsy maintsy atao ny fanadihadiana manokana ahafantarana ny amin’ny loharano niavian’izany.
Fa ankoatr’izay ihany koa, nahomby ny hetsika fampandrian-tany ataon’ireo miaramilan’ny Tafika malagasy miasa eo anivon’ireo Zrps. Tany amin’iny faritra Menabe iny dia voalaza fa basy miisa 33 tsy taratasy mazava no saron’ireo mpitandro filaminana ary omby miisa 73 no tafaverina amin’ny tompony. Tato anatin’ny folo andro monja izay dia efa an-jatony any ho any koa no basy tratra tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny.
m.L