- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tsy fandriampahelamana : Mpanendaka miisa roa maty voatifitry ny pôlisy

Ady amin’ny tsy fandriampahelamana : Mpanendaka miisa roa maty voatifitry ny pôlisy

Tsy eto an-drenivohitra ihany no mametraka paikady entina hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana izay miseho lany etsy sy eroa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny niseho tao an-drenivohitr’i Toliara tao omaly maraina. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia jiolahy roa indray no tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony mandrakizay tany an-toerana, rehefa avy nifanena tamin’ireo pôlisy. Teo am-panantanterahana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo no naharay antso ny pôlisy ary tonga haingana teny an-toerana : nifanenjika sy nifampitifitra tamin’ireo olon-dratsy. « Lavon’ny balan’ ny polisy ao Toliara ny jioĺahy miisa roa androany 09 oktobra 2024 noho ny fanendahana miaraka amin’ny basy. Io maraina io tokony ho tamin’ ny 04 ora dia naharay antso ireo Polîsy miasa amin’ny Kaomisaria foibe Toliara izay nilaza fa nisy olona iharan’ny fanendahana ao amin’ ny fokontany Tsongobory, Toliara. Tsy niandry ela dia namonjy io toerana voalaza io ny Polisy ka mbola tsikaritra teo ireo dimy lahy nanendaka. Ireto farany izay nitifitra avy hatrany raha nahita Polisy » hoy ny fampitam-baovao. Marihana fa tafaporitsika ny naman’ireto olon-dratsy maty voatifitra ireto ary efa am-pikarohana azy ny pôlisy any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici