Taorian’ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena mba hifanampian’ny samy malagassy ireo orinasa misy eto Madagasikara mikasika ity firongatry ny valan’aretina coronavirus izao, dia nanohina ny antso ny alarobia 25 marsa teo anivon’ny orinasa Ambatovy ka nanolotra fitaovana maromaro misy fiarovana sy ho fitsaboana ny komity ny faritra atsinanana amin’ny ady atao amin’ity valan’aretina ity. Nandray ny fanomezana tamin’izany ny governora atsinanana Rafidison Richard Théodore sy ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala, lanonana natao tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana. Tao anatin’ireo fitaovana dia nahitana ny “oxymètre de pouls” sy “nébuliseurs à compression d’air” izay niisa 50 teo, ny arovava FFP3 miisa 540, ny solomaso manokana ara-pitsaboana “oxygène pédiatrique”miisa 104, fiarovan-tanana miisa 75, fibatana marary 02, fitsapana hafanana miisa 10, ary ireo fitaovana maro samy hafa. Tena ilaina ireo fitaovana natolotry ny Ambatovy ireo hoy ny governora sy ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana, satria sady entina hiarovana ny valan’aretina ireto fitaovana no hitsaboana ireo izay mety ho voany ihany koa raha misy ny tranga hita eto Toamasina. Ankoatra izay dia nanolotra ny fanampiany ny komity momba ny valan’aretina eto Toamasina koa ny teo anivon’ny banky BFV-SG. Tampim-bava marobe no natolony tamin’izany ho entina hisorohana ny fihanaky ny valan’aretina. Orinasa mpanao andraikitra sy orinasa manampy ny mpiara-belona ny Banky BFV-SG ka adidiany hoy izy ireo ny mifanampy amin’ny Malagasy amin’izao ady atao amin’ny valan’aretina covid19 izao
Malala Didier