- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny zava-mahadomelina

Ady amin’ny zava-mahadomelina

#- Mananara Avaratra

Rongony nentina taxi-brousse

Tsy nisy fisalasalàna akory ireo mpibizina rongony tany amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny fa nampiakatra tsara ny « entany », toy ireny mpivarotra anana ireny, teny ambony taxi-brousse, handeha hivarotra izany any an-toerana. Rongony manodidina ny 40 tangozana teo ho eo no nafatratra tao anaty gony sy harona « sachet » maromaro ary nentin’izy roa lahy, niainga tao Analampotsy ary nokasaina hamidy ao an-tampon-tananan’i Mananara Avaratra ny alahady lasa teo. Soa ihany, tra-tehaka teo amin’ny sakana nataon’ny pôlisy, alohan’ny hidirana ny tanana izany « entana » hafa kely izany. Nampidinina avy hatrany izy roa lahy ary notanana natao famotorana. Nogiazana kosa ireto rongony maina ireto, hopotehina amin’ny fotoana voatondron’ny fitsaràna. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ahafantarana izany loharano nipoiran’izany zava-mahadomelina izany sy izay olona mety handray azy.

#- Antsiranana

Mpivarotra sy mpidoroka roa lahy voasambotra

Tonga teny am-pototsofin’ireo pôlisy any amin’iny distrikan’Antsiranana iny ny fisian’ny olona mivarotra sy mampirisika ny tanana hiditra eo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina tao an-tampon-tanana, ao amin’ny fokontany Cosmos. Nanaovan’ireo tompon’andraikitra bemidina avy hatrany ny toerana. Tra-tehaka tamin’izany ny roa lahy, izay mbola teo am-pifohana rongony mihitsy, rehefa natao ny vela-pandrika. Mbola nahitàna fonosan-drongony maromaro tany amin’izy roa lahy ireto izay voalaza fa nafenina tao anaty tranon-tsigara. Tsy vitan’ny mifoka ihany moa izy roa lahy ireo fa sady mivarotra ihany koa. Notanana natao andrimaso avy hatrany izy ireo ho amin’ny famotorana azy taorian’izay fisamborana izay. Natolotra ny fampanoavana kosa taorian’io ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici