Ao anatin’ny ezaka ho fampandriana fahalemana ny renivohitra dia tsy mikely soroka ireo kaomisaria eo anivon’ireo kaomisaria Antananarivo-Renivohitra amin’ny famongorona ireo asa fandrobana sy fanendahana izay tsy mitsaha-mitombo tato ho ato. Misy araka izany ny fandefasana andiana polisy manao fisafoana amin’ireny toerana heverina ho mafampana amin’ny asan-jiolahy ireny ka nandritra izany no nahasamborana ity tovolahy iray, tratra nifoka rongony teny amin’ny faritra Ambohimanarina iny, ny alarobia lasa teo. Polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-6 sendra nanao fisafoana teny amin’ny faritra Antanety sy Tsararay tamin’io andro io no nahatazana ity tovolahy ity nijorojoro teo akaiky dabam-pako iray teo am-pifohana rongony tamin’ny 6 ora hariva. Nosamborina avy hatrany ity farany ka nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria. Nandritra izany no nahafantarana fa 31 taona ralehilahy ary mponina eny Tsararay Ambohimanarina. Niaiky ny helony izy ary nanambara efa fotoana maharitra no nifohany rongony. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora moa izy rehefa natolotra ny Fampanoavana tetsy Anosy omaly zoma 02 novambra 2018.
Manendaka sy manindrona antsy. Nahitam-bokany ihany koa ny ezaka ataon’ireo polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka amin’ny boriborintany faha-3 etsy iny, etsy Antaninandro, amin’ny famongorana ireo mpanedaka sy mpifoka rongony eny amin’ny faritra Anjanahary iny ny 24 oktobra lasa teo tamin’ny 1 ora tolakandro. . Polisy nanao fisafoana eny amin’iny fasan’Anjanahary iny no nahita lehilahy dimy nifoka rogony niafina tao anelakelam-pasana. Rehefa nahatazana ireo polisy ry zalahy dia nirifatra nandositra avy hatrany saingy voasambotra ihany ny telo tamin’izy ireo, izay vao 13 sy 16 taona ny roa. Rehefa nosavaina tany am-paosin’izy ireo dia nahatratrarana fonosana rongony iray izay ambiny tsy nofohan’izy ireo. Marihana fa tena mampikaikaika ny mponina eny an-toerana mihitsy ireto jiolahy ireto satria rehefa avy mifoka rongony izy ireo dia manendaka sy manindrona amin’ny antsy mihitsy..
T.M.