
Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ankoatr’ilay sahan-drongony sy ireo rongony maina an-taonina maro tra-tehaka tato anatin’ny herinandro vitsy izay, dia nisy indray ireo gony feno rongony tra-tehaka, tany amin’iny tapany Atsimo sy Avaratry ny Nosy iny. Rongony 187 kilao, ny voalohany, saron’ny zandary tany amin’iny distrikan’Antsohihy. Araka ny fampitam-baovao azo, dia mpitandro filaminana nanao fisafoana tao amin’ny kizon’Antsahalalina, telo kilaometatra atsimon’i Betsipotika, ao amin’ny kaominina Antsahabe, distrikan’Antsohihy no nahatratra ireto kitapo 18 feno rongony , efa vonona ny haparitaka ireto. Tamin’ity indray mitoraka ity moa, dia tsy tratra teo ny tompony ary mbola eo am-pikarohana izany ireo zandary any an-toerana. Nodorana teo imason’ny mpitondra fanjakana tany an-toerana moa ireto zava-mahadomelina ireto, ny alarobia lasa teo. Fa ankoatr’izay, aman’arivony kilaometatra miala tao Antsohihy, tany amin’ny distrika Midongy Atsimo iny, dia rongony 71 kilao ihany koa no saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Midongy nandritra ny fisafoana natao ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo, tao amin’ny tanànan’Ambalahoraka ao amin’ny fokontany Vohimanoro, kaominina Nosifeno. Nitondra an’ireto rongony, jiolahy efatra no nosamborina. Fantatra, hoy ny fampitam-baovao, fa avy any amin’ireo tanin-drongonin’Antodabe Isandra sy Befotaka Atsimo no nangalan’ireo an’ireto zava-mahadomelina ireto. Tsy mijanona hatreo, fa mbola mitohy hatrany ny famongorana hatramin’ny “fakany” ity fanetriben’ny firenena, anisan’ny voalaza fa mitondra tsy fandriampahelamana eto amintsika.
m.L