Vokatry ny olan’ny tambin-karama 65.000 ariary avy amin’ny fanjakana ho an’ny mpiasam-panjakana nivadika ho 2.700 ariary ho an’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana eto Toamasina, dia nanampan-kevitra izy ireo fa hitokona mandra-pahazoan’izy ireo ny anjarany sy fanazavana feno tamin’izao ambaran’izy ireo fa fanambaniana azy ireo izao. Noho izany dia nisy tamin’ireo sekoly CEG sy ny EPP omaly alarobia 08 janoary maraina vao nandray ny fepetra nampody ny mpianany tamin’ny 09ora raha mbola tonga namonjy fianarana ireo mpianatra. Nisy zava-doza anefa nitranga nandritra ny fampodiana ireo mpianatra ireo teo anivon’ny CEG Ratsimilaho, satria mpianatra iray antsoija hoe Rakotonandrasana Rayan 14 taona mpianatra 06ème 10 no maty raha nentina namonjy hopitaly be Toamasina taorian’ny daroka nahazo azy noho ny ady nifanaovan’ny samy mpianatra teny an-dalam-be. Teny Tanamakoa manakaiky ny sekoly EPP La Marne no nitrangan’izany adin’ny samy mpianatra izany. Mifamahofaho anefa ny resaka mikasika ny fahafatesan’ity mpianatra ity ankehitriny, satria samy manana ny fanazavany ny rehetra mikasika ny raharaha, fa ny fantatra fotsiny aloha izao dia mpianatra avy amin’ny sekoly hafa miady amin’ny mpianatra avy ao amin’ny CEG Ratsimilaho no anton’izao mpianatra maty voadaroka teny an-dalana hody izao. Efa nandray ny fepetra mifanandrify amin’ny andraikiny ny CISCO Toamasina I sy ny talen’ny fanabezam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika Atsinanana ary ny talen’ny CEG Ratsimilaho tamin’izao raharaha izao. mbola mitohy kosa ny fitokonan’ny mpampianatra mandra-pahazoan’izy ireo ny anjara tambin-karamany 65.000 ariary, ary nanentana ny tsy fandefasana ny zanany an-tsekoly ireo mpampianatra noho izany hisorona ny loza.
Malala Didier