Rehefa ny vola tokoa no miresaka dia tsy misy intsony ny maha-pihavana, eny fa na ny maha reny sy zanaka aza, toy ity tranga niseho tao Ambalamangahazo, kaominina Niarovana Caroline, distrika Vatomandry ity. Fifandirana izay miafara amin’ny fifampitoriana eny anivon’ny tribonaly, fifanenjehana amin’ny antsy ary tonga hatramin’ny fifofoana ny ain’ity reny nahitana masoandro mihitsy aza. Izany dia noho ny resaka tany manodidina ny 11 Ha eo, izay an’ny reniny sy ireo rahavaviny saingy efa te handova velona ranamana, ka mitady izay hirika rehetra, hamotehana ireto nahitàna masoandro.
« Misy fambolena « cannelle » eo amin’izany tany izany ary izay zavatra izay no tena mahatonga azy te hibodo tsotr’izao izany tany izany. Ny mahavariana ihany koa dia misy manam-pahefana any an-toerana, ao ambadika sy miray tsikombakomba aminy amin’izany zava-dratsy izany. Manao ity karazana tsindry rehetra ity hialànay amin’ny taninay » hoy ny fitarainan’ny renim-pianakaviana, Rtoa Baokamisy Seraphine. Any amin’izany faritra izany tokoa mantsy dia ity resaka « cannelle » ity no tena fidiram-bolan’ireo tantsaha. Manodidina ny telo alina ariary eo ho eo no handraisan’ireo mpanangona izany vokatra izany ny iray kilao. « Nisy fotoana izahay (ndlr ny herinandro teo) mba nandeha nikapa ireto « canelle » tao amin’izany taninay izany kanefa dia fanenjehana tamin’ny antsy sy fiantsoana fitsaràm-bahoaka no azonay » hoy ny fitantaran’i Telovavy Honorine, rahavavin-dreniny.
Marihana fa teo anatrehan’ny zava-nisy dia efa nisy ny fitoriana nataon’izy ireo teny anivon’ny tribonaly sy ny mpitandro filaminana, saingy mbola tsy nisy vokany izany, ka hanaovan’izy ireo antso amin’ireo tomponandraikitra isan-tokony. « Amin’izao, manararaotra ny fahefany hananany io olona ao ambadiky ny zanako io ka mitsimbadika indray ny raharaha. Izahay foana indray no tsy mitsahatra voaantso eny anivon’ny mpitandro filaminana ary voatory mihitsy aza moa » hoy hatrany ity reny mananon-tena. Resaka fitrandrahana « cannelle » tsy ara-dalàna moa no voalaza fa anton’ny fitoriana. « Mahagaga anay anefa dia efa manana « ordonnance » tany amin’ny tribonaly izahay, ahafahanay manao izany » hoy hatrany izy.
Nanamafy ihany moa ny Tangalamena tao amin’izany tanana izany fa « tena an’ireto mpirahavavy ireto tokoa io tany misy « cannelle » io ary tokony hisitraka ny zony izy ireo ».
Nangonin’i m.L