Raikitra indray ny raharaha momba ilay olana ara-tany ao amin’ny fokontany Ambokarivo, kaominina Amboditandroroho, Toamasina II, ny sabotsy teo. Ny antony dia noho ity vadintany tonga tany an-toerana niaraka tamin’ny “ordonnance” avy amin’ny fitsarana, ka efa mailo ireo vahoaka ary nanao hetsika sy nitondra sora-baventy milaza ny raharaha.
Vao maraina be anefa dia tonga ny vadintany niaraka tamin’ireo polisy nentiny nitondra ilay didim-pitsarana avy amin’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Teo anefa vao hain’ireo fokonolona fa taratasy manokatra ilay fefy nanakana ny lalam-bahoaka, sy fampiasan’ny orinasa “Prénium Logistique” mitatitra fasika hanotofana ny asa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nentin’ilay vadintany vao maraina. Tsy naharitra ela anefa ireto vadintany sy ny polisy niaraka taminy fa vao nivoha ny lalana dia lasa izy ireo. Fantatra nandritra izany koa anefa fa nandeha be ny antso an-tariby nataon’ilay teratany karàna milaza fa tompon’ilay tany, ny hialan’ilay vadintany sy ireo polisy eo amin’ny taniny. Vao lasa izy ireo dia nasian’ireo miaramila mpiambina ilay toerana sy ny fanamboarana ny fefy hazo be indray teo amin’ny lalam-bahoaka novahan’ilay didim-pitsarana. Teo no nanomboka ny olana teo amin’ireo vahoaka sy ireto miramila mpiambina.
Nasain’ireo vahoaka nesorina izany hazo be izany, ka nanaiky izany ihany ny lehiben’ireto miaramila ireto, saingy nilaza tamin’ny vahoaka kosa fa tsy hanaisotra ireo fefy nataon’ny orinasa milaza fa tompon-tany. Nitsangana noho izany ny sora-baventy hoe: “tsy omenay vahiny ny taninay” sy ny hoe “tsy ekenay ny fakan’ny filatex ny taninay, vonjeo izahay Président”. Nilaza tamin’ny teny nataony ny vahoaka tojo ny mpanao gazety fa “anay ity tany ity, efa ela izahay no nanajary ny tany ary efa ela ny razam-benay no efa teto amin’ity tany ity, ka izay no mampisy ireo fasana roa ireo ao anatin’izany tany izany.” Nohamafisin’ireo fokonolona hatrany fa taratasy hosoka no ampiasain’ilay mpiady aminay amin’ity tany ity. Isan’ny nambarany tamin’izany ny fampiasana “certificat juridique” hosoka, satria raha ny voalazan’ny taratasy tany amin’ilay teratany karàna dia fokontany Tanandava kaominina Fanandrana Toamasina II no misy ilay tany titre 11.500-BA hiadiana ity. Ny marina, hoy ireto vahoaka, araka ny taratasy any amin’izy ireo, dia fokontany Ambokarivo kaominina Amboditandroroho, miaraka amin’ny orinasa Ambatovy, no misy azy ireo. Efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha ka miandry izay havoakan’ny mpitsara izy ireo.
Kasaina hanamboaran’ilay teratany karàna ny tetikasan’ny filoham-pirenana amin’ny fanamboarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ilay tany raha azony amin’ny fanjakana malagasy. Miady hatramin’ny farany anefa ireo vahoaka momba izany, satria miaro ilay fasandrazan’izy ireo tsy ho voazimbazimba izy ireo.
Malala Didier