Dia mbola miverina nikorontana indray ! Na dia efa amam-polo taonany aza no nifanolanana orinasa vahiny iray tamin’ireo mpandova ny tany mirefy 30 ha ao Antanandrano, dia tsy mety milamina mihitsy izany ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, dia efa tafakatra tany amin’ny fitsarana an-tampony ity raharaha ady tany ity, ary tamin’izany no namoahana didy nandresen’ireo mpandova. Efa notanterahina teny anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany io didy io ary nahazon’izy ireo « titre » amin’ny isan’ny mpandova ; izay misy valo. Tokony efa nilamina teo io raharaha io, satria efa ny fitsarana an-tampony no nitsara sy namoaka ny didy, hoy ny fanazavana. Saingy taty aoriana dia niverina nanohy ny ady tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray, ny tompon’ilay orinasa mikatsaka mafy ity tanina malagasy ity. Nangataka ny hanaovana « expropriation » ny tany indray ity teratany vahiny ity ary dia nahazo izany, na dia teo aza ilay didy taloha efa nivoaka. Noho izany na dia manana « titre » ara-dalàna izao aza ireo mpandova, dia tsy afaka mikitika ny taniny akory, noho ny fisian’io ady mandeha any amin’ny fitsarana io indray. Eo anatrehan’izany rehetra izany, dia mitaraina sy miraviravy tanana ireo olona tompon’ny tany ireo, ny amin’ny afitsok’ity orinasa eo ambany fitantanana teratany vahiny ity. « Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena mihitsy izahay amin’izao raharaha izao, mba hijereny manokana anay, satria dia tanin’ny Malagasy no tadiavin’ny vahiny hobodoina ankitsirano tsotr’izao », hoy ny fitarainan’ireo mpandova ireo.
m.L