- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAdy tany eny Ankadimbahoaka : Raikitra indray ny savorovoro

Ady tany eny Ankadimbahoaka : Raikitra indray ny savorovoro

Tsy manaiky ny hamefena ny lalam-bahoaka izahay”, hoy ny antsoantson’ny mponina eny Ankadimbahoaka omaly.  Nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany maraina dia nitangorona ny mponina teny an-toerana fa hofefen’ny teratany vahiny iray ny lalàna natokana hivezivezen’izy ireo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo polisy mirongo fitaovam-piadinana natsoin’ity vahiny hanampy ireo efa teny an-toerana handamina ny raharaha. Nifampihantsy nanomboka teo ny mpitandro ny filaminana etsy andaniny sy ny mponina etsy ankilany. Ireo mpamefy ny lalàna kosa dia nanohy ny asany sady narovana polisy marobe miaraka amin’ny basy. Fotoana fohy taorinan’izay dia nivezivezy eraky ny tanana ireto mpitandro ny filaminana ireto ka nampitahotra sy tsy nampamandrimandry ireo vahoaka. Tsy nisy sahy nanohitra ny mponina nanoloana izany noho ny tahotra ny ain’izy ireo. Efa nanomboka ny taona 2013 no efa nisy ity savorovoro ity. Niakatra fitsarana ny raharaha tamin’izany ka nahazo rariny ny vahoaka. Nisy mihitsy ny fanamboarana ilay lalàna izay natrehan’ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fitokanana azy. Taorinan’izany anefa dia nampiakatra ny raharaha ambonimbony ihany koa ity teratany vahiny ity izay niteraka korontana vaovao. Raha araka ny fanambaran’ny mponina dia ireo lohandohany tamin’ny fitakiana voalohany mihitsy no lasa voarebirebin’ity vahiny ka nahatonga ny hatezeran’ny mponina.  Izy ireo izay manodidina ny 13 eo izay vaomieran’ny fokontany avokoa no lasa mpikarama nanao ilay famefena.  Matahotra ny fitaran’ny famefena sy mitaintaina ny mponina eny an-toerana ankehitriny. Raha araka ny feo mandeha henon’izy ireo dia maro amin’ireo trano miorina manodidina ity lalàna ity no mety hirodana. Manaitra ny tompon’andraikitra ireto vahoaka Manoloana ity tranga ity.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici